Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina

Mpiady Talibàna. Pikantsary naverina nokiraina avy amin'ny fantsona Youtube Vice News

Ny 8 May 2022, nambaran'ny governemanta eo ambany fitarihan'ireo Talibàna ao Afghanistàna fa nanaovany fanadihadiana ny fanafihana tamin'ny bala afomanga nataon'ny Fitondrana Islamika (IS) tamin'i Tajikistàna avy ao amin'ny faritanin'i Takhar ao Afghanistàna, ny IS rahateo niaiky fa nitifitra bala afomanga valo tamin'ny 7 May hamelezana “lasibatra ara-tafika tsy voafaritra mazava tao Tajikistàna.” Valin'izay, Tamim-pitandremana no nanamarihan'ireo manampahefana Tajik fa bala lasa tsy nahy nandritra ny ady iray nifanaovan'ireo tafika Talibàna sy ny milisy IS tany amin'ny lafy Afghàna ao amin'ny sisintany ireny, no sady nitazona ny filazàny ny fahavononan'ireo andian-tafikany ao amin'ny sisintany ry zareo. Miaraka amin'ny fitomboan'ny fihenjanana ao amin'ny faritra, mety hisy ny hanao tsoakevitra hoe vita tanteraka ny volantantelin'ny Talibàna, raha ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ao Azia Afovoany no resahana.

Araka ny fomba fijery sasantsasany, mety heverin'ireo Talibàna ho nihitsoka ao anatin'ny ady ifanaovany amin'i Okraina i Rosia, mahatonga an'io ho fotoana tena mety hanaovana tsindry amin'ireo fanjakàna ao Azia Afovoany mba hidirany amin'ny fileferana ara-pôlitika. Tajikistàna, firenena iray izay nanilika ampahibemaso ilay governemanta vaovao ambany fitarihan'ny Talibàna no mety ho lasibatra voalohany. Hatrany am-piandohan'ny nandraisan'ireo Talibàna ny fahefana tamin'ny Aogositra 2021, ny governemanta Tajik, nahazo tohana noho ny fisian'ireo miaramila rosiàna, dia nandà ny hifandray amin'ireo Talibàna. Tsy mankato ny fitondràna Talibàna i Dushanb, raha mbola manohy ny fanilikilihana ireo foko Tajiks izay mandrafitra ny ampahefatr'ireo vahoaka ao Afghanistan  ilay governemanta vaovao. 

Tsy voafetra fotsiny ho amin'ny fampiasana hery io tsindry io, na ny fandrahonana am-bava izay efa lasa toy ny rano fisotro ao anatin'ny pôlitika Afghana ho an'ireo mpiray vodirindrina aminy. Araka izany, ny 6 May 2022, Gulbuddin Hekmatyar, praiminisitra taloha sady mpitarika ny antoko Hezb-e Islami party, mpomba ny Talibàna, dia nilaza fa azo lazaina ho nihantsy ady ankolaka amin'i Afghanistàna i Tajikistàna tamin'ny fanomezany fialofana ho an'ireo Afghan mpanohitra. Vokany, ho valy bontana, tsy maintsy manome fialokalofana ho an'ireo Tajik mpanohitra i Afghanistàna. Tamin'ny fiteny Dari izy no nanao ilay kabariny feno fandrahonana, fomba fiteny iray tena akaiky ireo Tajik, taorian'ny fihaonany tamin'i Amir Khan Muttaqi, minisitra mpisolo toerana misahana ny raharaha ivelany ho an-dry zareo Talibàna, tamin'ny filazàna an'i Tajikistàna ho toy ny osa, bitika ary malemy (ضعیف، کوچک، شکننده).

Tsy misy mahataitra ny hoe nipoitra ireo fandrahonana sy fanafihana ikendrena an'i Tajikistàna raha ireo tatitra mikasika ny fifandonana ao avaratra-atsinanan'ny faritanin'i Panjshir, ifanaovan'ireo tafika Talibàna sy ny Mandatehezam-Panoherana ao Afghanistàna, ilay vovonana mpanohitra Talibàna izay ny foko Tajik no tena maro an'isa ao anatiny, nanokatra biraom-pifandraisana iray ao Tajikistàna tamin'ny Oktôbra 2021. Etsy ankilany, i Tajikistàna no voarakitra ho firenena fahatelo mpampiantrano ireo Afghàna mpitsoaponenana (aorian'i Pakistàna sy Iràna), ary fitodiana fahefatra ho an'ireo Afghàna vao tonga hatramin'ny 2021 (aorian'i Pakistàna, Iràna sy Ozbekistàna).

Fitazanana ny Panjshir Valley, Afghanistàna. Sary an'ny UN Photo/Homayon Khoram tao amin'ny  Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Tany aloha, ny 18 Aprily 2022, ny Islamic State Khorasan Province (ISKP), rantsan'ny Fitondràna Islamika tena isan'ny mavitrika ao Afghanistàna sy Pakistàna, dia nilaza fa nanao fanafihana tamin'ny bala afomanga tao amina toby miaramila iray ao Ozbekistàna, akaikin'ny tanànan'i Termez, saingy avy hatrany dia nandà izany filazàna izany ireo manampahefana Ozbeky, tsy nisy hafa amin'ny nataon'ny tao Tajikistàna.

Efa tany amin'ny Janoary 2022, ny minisitry ny fiarovana Talibàna, Mohammad Yaqoob, zanakalahin'i Mullah Omar, mpanorina ny Talibàna, dia nanainga an'i Tajikistàna sy Ozbekistàna hamerina amin'i Afghanistàna ireo fiaramanidin'ny tafika nentin'ireo mpanamorin'ny tafika afghàna nofanin'i Etazonia, ary nandositra nankany Azia Afovoany, nandritra ny fisintahan'ireo miaramila amerikàna tamin'ny Aogositra 2021, tamin'ny fangatahana azy ireo tsy hitsapa ny fetran'ny faharetan-dry zareo sy tsy hanery azy ireo handray “izay rehetra dingana famaizana azony raisina.” Raha io no jerena, ny 10 Janoary 2022, tao amin'ny kaonferansan'ny firaisandia ara-tafika tarihan'i Rosia, Collective Security Treaty Organization (CSTO) – fikambanana fifanaraham-piarovana iraisana -, ny filoha Tajik, Emomali Rahmon, dia nampitandrina ireo filoham-panjakàna namany momba ireo toby 40 mahery, fanofanana mpanao asa fampihorohoroana, misy ao avaratra-andrefan'i Afghanistàna, mandray mpitolona mihoatra ny 6.000, tamin'ny fanampiana hoe mitovy fijery aminy ny sasany ao Azia Afovoany.

Toa tsy ho azo eritreretina ny hifanatonan'i Rosia sy ireo Talibàna

Eny tokoa, nanomboka tamin'ny fotoana nirodanan'ny governemanta Afghàna, taorian'ny nisintahan'i Etazonia sy ireo tafika mpiaradia, ary ny nakàn'ny Talibàna haingana ny fifehezana, fikasàn'ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany miray sisintany amin'i Afghanistàna — Tajikistàna, Tiorkmenistàna, ary Ozbekistàna ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana.  Anatin'izay rafitra izay, nandritra ny fifampidinihana tao Maosko tamin'ny 8 Jolay 2021, toa vitan'i Rosia aza ny naka ny fanekena andraikitra avy amin'ireo Talibàna tsy hanitsakitsaka ireo sisintany iraisany amin'ireo fanjakàna ao Azia Afovoany.  Kanefa, tsara ny manamarika fa nandritra izay fihaonana izay ihany, nanome toky ireo Talibàna ny amin'ny fahavononany hanaja ny zon'olombelona, isan'izany ny zon'ny vehivavy, saingy rehefa nandeha ny fotoana, nohenjanin-dry zareo hatrany ny pôlitikany momba ny vehivavy, amin'ny fanerena azy ireny handrakotra ny tavany, fameperana ny asa sy ny fampianarana. Taty aoriana,  ireo Afghàna diplaomaty solontenan'ny governemanta Talibàna dia nahazo alàlana tao amin'ny ministeran'ny raharaha ivelany ao Rosia, raha ny masoivoho Afghàna ao Maosko kosa natolotra an'ireo Talibàna.

Vehivavy nandritra ny fifidianana tao Kabul, Afghanistàna, 20 Aogositra 2009. Sary an'ny UN Photo/Eric Kanalstein tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Raha momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra nandritra ny nandraisan'ireo Talibàna ny fifehezana azy, tany am-piandohana i Rosia izay nanana toby miaramila nidadasiska tao Tajikistàna ary voarohirohy tamin'ny fanomezana fitaovana sy ny fanofànana ireo andiana Tajik tany amin'ny sisintany nandritra ny ampolo taona maro, dia tsy nahita izay filàna mampiditra ny tafika CSTO amin'ny fiarovana ny sisintany iraisana amin'i Afghanistàna, tamin'ny fanasongadinana kosa ny filàna fitaovana ara-tafika sy tohana ara-teknika. Na izany aza, ny Aogositra 2021, nikarakara fanazarantena ara-tafika niarahany tamin'ny tafika Tajik sy Ozbeky i Rosia tao amin'ny toeram-panofanana ao Kharbmaidon any Tajikistàna, manakaiky ny sisintany Afghàna, tamin'ny fampanarahana toetrandro, nandritra izany fotoana izany, ireo fitaovan'ny tafika tao amin'ny tobin-dry zareo. Taty aoriana, ny Oktôbra 2021,  nanao fanazarantena ara-tafika ny CSTO tao Tajikistàna, niarahana tamin'ny andia-miaramila avy any Armenia, Belarosia, Kazakhstàna, Kirgizistàna, Rosia, ary Tajikistàna.

Vokatry ny fananihambohitra ataon'i Rosia ao Okraina

Kanefa, ny fananihambohjitra rosiàna ao Okraina sy ny fomba misetrasetra nitondràny ny ady, izay mazàna ampitahaina amin'ny tsy fahombiazan'ny Sôvietika tao Afghanistàna, dia mahatonga mihitsy aza ireo Talibàna handrisika an-dry zareo  “tsy hiditra amina fandraisana fanapahankevitra haka fironana mety vao mainka hanamafy ny herisetra,” nanova ny mizàna stratejikan'ny hery ao amin'ilay faritra lavitra an'i Rosia.

Izany tsy hoe fotsiny hanafaka ireo Talibàna tsy ho ireo tena mpisetrasetra eto amin'izao tontolo izao no sady hamily ny sain'ny Tandrefana tsy ho ao Afghanistàna, fa koa mety hamaha fatorana an-dry zareo Talibàna amin'ireo fifanaraham-pandriampahalemana nifanaovany tamin'i Rosia, izay amin'izao fotoana izao “tsy manana vola na tanjaka ara-tafika hotsitsiana” noho ireo sazy sy tsy fahombiazana ara-tafika, no sady tsy afaka hitàna anjara toerana fototra amin'ny fitakian'ireo Talibàna ny fankatoavana azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Avy amin'ny fomba fijery miaramila, i Rosia dia miomana ny hamatsy fitaovana ireo tobin-tafikany ao Kyrgyzstàna sy Tajikistàna hatramin'ny faran'ity 2022 ity, ary ankehitriny lasa manjavozavo daholo hatramin'ilay tetikady fiarahamiasa 2022–2024 iarahana amin'i Kazakhstàna, fandaharanasa sahisahin'i Rosia, raha vao herinandro roa talohan'ny nidirana tamin'ny ady ao Okraina, voalaza i Rosia ho nangataka ny fanampiana ara-toekarena sy ara-tafika avy amin'i Shina. Misy filazàna nataon'i Okraina fa mety hanaisotra ny sasantsasany amin'ireo andian-tafika ao amin'ny tobiny ao Armenia i Rosia, raha jerena ny fisintahan'ireo andian-tafika sy mpikarama an'ady avy ao Siria sy Libia ho fanamafisana ny fampielezankevitra okrainiàna ataony, nanokatra ny varavarana ho an'ireo hirika stratejikan'ireo hery madinika sy goavana ao amin'ilay faritra.

Fiara mifono vy an'ny Rosiàna simba tao Okraina. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny BBC News

Ao anatin'izany fivoaran-draharaha rehetra izany, ireo fanjakàna ao Azia Afovoany, izay nanomboka nijaly ny toekareny, na mbola tany alohan'ny ady ifanaovan'i Rosia sy Okraina aza, dia matahotra ankehitriny ny amin'ny hitomboan'ny herisetra sy tsy filaminana ao anatin'i Afghanistàna, izay namelona ireo vondrona mitam-piadiana, isan'ireny ny ISKP izay nanao fanafihana tao Tajikistàna sy Ozbekistàna. Ny sasany amin'ireny vondrona ireny dia nanao izay tratrany nampiditra ireo avy amin'ny foko Tajiks sy Ozbeky ary manao prôpagandy sy fampielezankevitra anaty media amin'ny fiteny ao Azia Afovoany, amin'ny fanambaràna fisiana “ jihad lehibe ho an'ny Azia Afovoany.” Ankoatra izany, ny sasany aza mihevitra azy ireny ho toy ny fanafihana nataon'ny Talibàna saingy notanterahan'ireo rantsana Fitondràna Islamika mpanelanelana avy ao an-toerana, satria ity farany dia nanao fifamatorana tamin'ny tambajotra Haqqani, sampan-dry zareo Talibàna.

Hatreto, raha mamela ireo fanjakana ao Azia Afovoany ho irery hiatrika ny tahotra mety hitomboan'ny milisy islamika ao Afghanistàna ny tsy fahombiazana ara-miaramilan'i Rosia ao Okraina sy ny fitokanamoniny ara-pôlitika sy ara-toekarena, nanomboka nandrovitra ny fahanginana ireo vaovao momba ireo fifampitifirana naharitra ora maro ifanaovan'ireo miaramila Talibàna sy ny andian-tafika Tajiks tao amin'ny sisintany nanomboka tamin'ny 15 May 2022, izay tsy naharitra afa-tsy herinandro tokana monja. Etsy ankilany, toy ny maka ny fihaonana an-tampon'ny CSTO izay nanomboka tao Maosko tamin'ny 16 May 2022 ny filoha rosiàna Vladimir Putin, mba hanehoany ireo alahelony momba ny “hatezeran'ny Neo-Nazisma ao Okraina,” izay ny Tandrefana no mandrisika azy, ary nandrahona an'i Finland sy Soeda momba ny fikasàn-dry zareo hiditra ho isan'ny OTAN, fa tsy ny fiatrehana ny raho-mitataon'ny fandrahonan'ny Afghàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.