Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Janoary, 2020
Shina 2007: Nomena loka BoBs ny Shinoa
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2007) Tamin'ny taona 2007, nanomboka ny 22 Oktobra 2007 ny fifidianana tamin'ny bilaogy tsara indrindra Best of Blogs: afaka nifidy tamin'ny aterineto ho an'ny bilaogy,...
Ao Hong Kong, ady ataon'ireo mpanao gazety amin'ny fanivanantena, fandrahonana ary herisetra ataon'ny polisy manohitontohina ny fampitambaovao momba ny “revôlisiônan'ny Elo”
Tranonkala 4 mpamoaka vaovao tsy miankina no niaraka namoaka fanambaràna niombonana natao hanamelohana ny herisetra ninian'ny pôlisy natao tamin'ireo mpanao gazety. Mba hampitonitoniana an'i Beijing, manao fanivanantena ny sasany amin'ireo gazety.
Nilaza ny mpitondra vaovao avy any Beijing ao Hong Kong fa antenainy ny hiverenan'ilay tanàndehibe amin'ny làlana marina
Nilaza ny Tale vaovaon'ny Biraon'ny Fifandraisan'i Beijing, Hong Kong fa manantena ny hiverenan'ilay tanàndehibe haingana amin'ny làlana tokony hizorany izy
Mpandraharaha ao Hong Kong manome vahana ny fotokevitra pro-demaokrasia
Maro ny mihevitra fa fitaovam-piadiana matanjaka ny hery aratoekarenan'ny olompirenena hampisy fiovana ara-politika misy dikany ho an'ny tanàna.
Faniriako Krismasy i Hong Kong afaka: Ahoana ny fampiasan'ny mpikatroka karatra fandefa fety ahafahana mamoaka ny teny
Maro ireo olona manao volantera handika an-tsoratra ireo fiarahabana fety amin'ny fiteny samihafa sy hanoratra taratasy mitovy rafitra ho an'ny olona manana fiaviana sy saranga samihafa.
Iza no namotika ny fandriampahalemana sy ny hafaliana krismasy tao Hong Kong?
Sady tsy nilamina no tsy nahafaly ny krismasy tao Hong Kong raha miezaka mandeha amin'ireo distrika lehibe fiantsenana ny polisy misahana ny rotaka mitondra fitaovam-piadiana enti-miady amin'ny rotaka hanaparitahana ireo fihetsiketsehana tselatra ho fanoherana. Hatramin'ny 28 Desambra teo, hatramin'ny 336 ny isan'ny olona nosamborina.