Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Jolay, 2014
Miondrika Amin'ny Mpitandro Ny Filaminana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Miaro Ny Demokrasia Any Hong Kong, Fa Tsy Amin'ny Ray Aman-dreniny Mandritra Ny Sakafo
Olona an'arivony maro no naneho mafy ny fitakiany fifidianana malalaka, fa maro amin'ireo mpikatroka mafàna fo no mbola sahirana miresaka amin'ireo ray aman-dreny mitàna ny heviny taloha.
Eto Ny “Sokajim-Pampitandremana” Hilaza Aminao Ny Famoretan'ny Polisin'i Hong Kong Amin'ireo Mpanohana Ny Demaokrasia
Nanangana ny "Sokajim-Pampitandremana" HongKongey, fampisehoana fihetsiketsehana izay mitsikera ny famoretana mahery vaika ataon'ny polisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina ilay mpanakanto ao an-toerana, Kasey Wong.
Ho An'ireo Fianakaviana Shinoa Mbola Miandry Ny Valin'ny MH370, “Zavatra Efa Hita” Mahavaky Fo Ny Fianjeran'ny Fiaramanidin'ny Malaysia Airlines Tao Okraina
Mbola tsy afaka ao an-tsaina ny fahatsiarovana ho an'ireo izay tsy mahafantatra ny zavatra nitranga nanjo ireo havan-tiany tao anatin'ny sidina MH370 taorian'ny nanjavonany tsy ho hitan'ny "radar" intsony ora vitsy monja taorian'ny nialàny tao Kuala Lumpur ny 8 Marsta teo
Nahoana No Te-Hosamborina Ireo Vahoaka Maherin'ny 500 Nitokona Tany Hong-Kong?
Maro amin'ireo olona voasambotra nandritra ilay fitokonana milamina no nizara ny tantarany manokana tao amin'ny Facebook tanatin'ireo andro vitsy lasa. Tian'izy ireo ny fifidianana malalaka tsy ao ambany fifehezan'i Shina.
GV Face: Fitsapa-kevi-bahoaka Mikasika Ny Zo Hifidy Karakarain'Olo-tsotra Ao Hong Kong
Fantaro ny fizotry ny fitsapa-kevi-bahoaka nokarakarain'ny olom-pirenena tao Hong Kong, miresaka amintsika momba izany amin'ity fandaharana GV Face ity i Oiwan Lam, mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Shina.