Nilaza ny mpitondra vaovao avy any Beijing ao Hong Kong fa antenainy ny hiverenan'ilay tanàndehibe amin'ny làlana marina
Kris Cheng no nanoratra ity lahatsoratra ity voalohany ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 6 Janoary 2020. Navoaka ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty ny lahatsoratra nasiam-panovana manaraka etoana.
Nilaza ny tale vaovaon'ny Biraon'ny Fifandraisan'i Beijing ao Hong Kong fa manantena ny hiverenan'ilay tanàndehibe haingana amin'ny lalana tokony hizorany izy.
Governoran'ny faritany Qinghai teo aloha i Luo Huining, 65 taona. Nisolo an'i Wang Zhimin izay tale nanomboka ny volana Septambra 2017 izy.
Nanaitra ny fanendrena an'i Luo andro asabotsy noho izy tsy manana traikefa amin'ny fitantanana ny raharaha sy ny raharaham-bahiny ao Hong Kong.
Tamin'ny 28 Desambra, voatendry ho filoha lefitry ny komity ara-bola sy ara-toekarena ao amin'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka i Luo – andraikitra omena ireo izay hisotro ronono tsy ho ela. Nandray ny toerany izy herinandro talohan'ny nandefasana azy tany Hong Kong.
Raha nihaona tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny Biraon'ny Fifandraisana ao Sai Wan ny Alatsinainy maraina dia nilaza i Luo fa efa niasa tao amin'ny tanibe izy ary tsy vahiny ao Hong Kong:
This will be a new mission, a new challenge to me. I will do my work well – with sincerity and true emotion.
Iraka vaovao, fanamby vaovao ho ahy izany. Hataoko tsara ny asako – am-pahatsorana sy amim-pihetseham-po marina.
Nidera an'i Hong Kong sy ny andraikiny izy amin'ny fanokafana sy fanaovana ho maoderina an'i Shina:
The motherland offers Hong Kong the strongest backing.
Manolotra ny fanohanana lehibe indrindra ho an'i Hong Kong ny tanibe.
Nanomboka ny volana Jona lasa teo, nivadika ho fihetsiketsehana narahina herisetra manohitra ny fihetsika nataon'ny polisy ny fihetsiketsehana manohitra ny volavolan-dalànan'ny fampodiana ary tao anatin'ny fitakiana ny demaokrasia sy ny hatezerana tamin'ny fitsabahan'i Beijing izany. Tsy nitsahatra nitaky fanadihadiana mahaleotena tamin'ny fihetsiky ny polisy, ny famotsoran-keloka ho an'ireo voasambotra, ny fahafahan'ny rehetra mifidy ary ny fampiatoana ny fiheverana ny fihetsiketsehana ho “rotaka” ireo mpanao fihetsiketsehana.
Nilaza i Luo fa mampanahy ny toe-javatra ao Hong Kong tato anatin'ny enim-bolana lasa izay:
We all eagerly hope Hong Kong can return to the right track. As President Xi Jinping said in his new year remarks, without a harmonious and stable environment, there will not be a home where people can live and work in peace.
Manantena ny hiverinan'i Hong Kong haingana amin'ny làlana marina isika rehetra. Araka ny nolazain'ny filoha Xi Jinping tao anatin'ny fanamarihana nataony tamin'ny taombaovao fa raha tsy misy fiainana milamina sy mirindra dia tsy hisy toerana ahafahan'ny olona miaina miasa am-pilaminana.
Nilaza izy fa manome ny tombontsoa tsara indrindra ho an'i Hong Kong ny endrika “Firenena Iray, Rafitra Roa“:
I believe that, with the hard work of Chief Executive Carrie Lam, the government, and all sectors of society, the Chinese constitution and the Basic Law will be fully implemented in Hong Kong, the ‘One Country, Two Systems’ principle can be implemented smoothly and successfully in the long-term [and] the long-term prosperity and stability of Hong Kong can be ensured.
Mino aho fa, amin'ny asa mafy ataon'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Carrie Lam sy ny governemanta ary ny sehatra rehetra eo amin'ny fiarahamonina dia hampiharina feno ao Hong Kong ny lalàm-panorenana Shinoa sy ny Lalàna Fototra, azo ampiharina moramora sy amim-pahombiazana amin'ny fomba maharitra ny fitsipika “Firenena Iray, Rafitra Roa” [ary] hampaharitra ny fanambinana sy ny fahamarinan-toerana ao Hong Kong.
“Matoky tanteraka izany aho,” hoy izy sady namokona totohondry. Tsy namaly ny fanontanian'ireo mpanao gazety i Luo rehefa nandeha.
Ny niafaran'i Wang
Ny tatitry ny Xinhua izay nanambara ny fanendrena an'i Luo dia tsy nilaza ny momba izay ho toeran'i Wang izay nodimbiasany. Wang no nitana ny fotoana fohy indrindra tamin'ny tale rehetra hatramin'ny nitsanganan'ny birao tamin'ny taona 2000.
Nitanisa ny loharanom-baovao ny tranokalam-baovao manohana an'i Beijing, Bastille Post izay nilaza fa niverina tany Beijing i Wang ary ho lasa filoha lefitry ny Ivontoerana Foibe ho an'ny Tantaran'ny Antoko sy ny Fikarohana Ara-literatiora.
Taorian'ny nandresen'ny demaokraty tamin'ny fifidianana Filan-kevitry ny Distrika tamin'ny nahazoany vato betsaka tamin'ny volana Novambra dia nanonona tompon'andraikitra Shinoa iray tsy notononina anarana ny tatitra nataon'ny Reuters ary nilaza fa diso fiheverana tamin'ny toe-java-niseho tao an-tanàndehibe ny Ôfisy sy ny lehibeny, Wang Zhimin, ka mety hosoloina. Nilaza ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa fa diso ny tatitra. Nampanantena hanohy ny andraikiny any Hong Kong i Wang tamin'ny voalohandohan'ny volana Desambra.
Nilaza i Johnny Lau, mpandinika Shinoa efa zokiolona, nandritra ny Zaikabe RTHK tao an-tanàndehibe ny Alahady fa nanamarika fanovana paikady amin'i Beijing ny fanesorana an'i Wang:
This is not a change of policy. A tactical change means that the high-pressure tactics of the past six months, including tolerance of the police abuse of power and violence… cannot go on… [T]he response from Hong Kong people was very strong. Thus, the [policy] change temporary.
Tsy fanovana ny politika akory izany. Midika paikadin'ny tsindry mavesatra nitranga tato anatin'ny enim-bolana, anisan'izany ny fandeferana amin'ny fanararaotam-pahefana ataon'ny polisy sy ny herisetra… izay tsy tokony hitohy… ny fanovana paikady. Tena mavesa-danja ny valinteny avy amin'ny vahoakan'i Hong Kong. Araka izany, novaina vonjimaika ihany ny [politika].
Nilaza izy fa mety hifantoka bebe kokoa amin'ny olana ara-pivelomana i Luo, izay havanana eo amin'ny lafiny toekarena:
But we have to continue to see whether the hardline policy of Beijing will change.
Saingy mila manohy mijery isika raha hiova ny politika henjana ampiharin'i Beijing.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...