Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Marsa, 2013
Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?
Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.
Hatezerana Mafy Tao Shina Vokatry Ny Fepetra Napetrak'i Hong Kong Momba Ny Vovo-dRonono
Tena tohina tamin'ilay fitsipiky ny sisintany nataon'ny governemanta ao Hong Kong farany teo mikasika ny fandraràna ny mpandeha tsy hitondra vovo-dronono mihoatra ny 1,8 kg any ivelan'i Hong Kong ry zareo any amin'ny tanibe Shina
Gazety Nepali Manome Feo Ireo Vitsy An'Isa Odian-Tsy Hita ao Hong Kong
Nanadihady ny tonia lehiben'ny gazety tsy miankina Nepali iray, Ethnic Voice, miorina ao Hong Kong, ny inmediahk.net. Mandrisika ny Nepaley monina ao Hong Kong hiteny sy handray anjara amin'ny raharaham-bahoaka ihany koa ny gazety mivoaka isan-kerinandro.