Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Septambra, 2019
‘Voninahitra ho an'i Hong Kong': Hira fanevan'ny hetsi-panoherana
Tsingerintaona faha-70 an'ny Repoblikam-bahoaka ao Shina ny 1 Oktobra. Raha miomana amin'ny lanonana ofisialy ny governemanta Hong Kong, Hong Konger an'aliny kosa no mampiseho hira fanoherana vaovao eny an-dalambe sy eny amin'ireo toeram-pivarotana manerana ny tanàna.
Andian'olona mitam-piadiana manafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana any amin'ny gara iray an-tanànaitatr'i Hong Kong
"Farafahakeliny olona 45 nonampidirina hopitaly ary iray no tena voa mafy vokatry ny fanafihan'ny andian'olona."
Tongan'ireo mpianatra tao Hong Kong tany an-tsekoly ny fihetsiketsehana
Nitondra taranaka mpianatra mpikatroka matanjaka kokoa ny fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana olona.
LIHKG ao Hong Kong mitovy amin'i Reddit miatrika fanafihana DDoS tsy nisy toy izany avy amin'ny orinasan'aterineto shinoa
Nalefan'ny orinasa shinoa roa nankany amin'ny tranonkalan-tsenankevitra LIHKG pro-demaokraty ny zotran-tserasera avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.
Hong Kong : Mihorohoro mafy ny ao amin'ny Cathay Pacific, noroahana ny lehiben'ny sendikà noho izy nanohana ny hetsipanoherana teny anaty media sosialy
"Tsy izaho irery no iharan'io. Ny sehatra iray manontolo no voadona, Hong Kong mihitsy. Rahoviana ity horohoro mafy ity no hitsahatra ?"
Nomen'ny mpiserasera Hong Kong anarana hoe “Dunkerque ao Hong Kong” ny fivoahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny seranam-piaramanidina
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nandeha fitateram-bahoaka ho any amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-tanàna tamin'ny 1 septambra mba hiezaka hanakorontana ny seranam-piaramanidina. Na izany aza, nahatonga azy ireo nihitsoka tao amin'ny Nosy seranam-piaramanidina 35 kilometatra miala ny tanàna ny hetsika fanakorontanana nataon'izy ireo.
Misambotra ireo mpitarika mpikatroka maro tsy tia fampodiana-fandroahana tsy misy toy izany ny polisin'i Hong Kong
Nanova paikady ny governemantan'i Hong Kong ka rehefa nataony ny paikady famoretana hihazona ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny toerana anaovana fihetsiketsehana dia ny fisamborana tambajotram-pikatroka pro-demaokrasia maromaro sy ireo mpitarika indray no ataony.