Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Faniriako Krismasy i Hong Kong afaka: Ahoana ny fampiasan'ny mpikatroka karatra fandefa fety ahafahana mamoaka ny teny

Saripika: fantsona karatra telegrama Krismasy Afaho HK. Tao amin'ny Hong Kong Free Press.

Ny paositra etoana dia nosoratan'i Heidi Lee sy navoakany voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 29 Desambra 2019. Izao endrika nasiam-panovana manaraka izao dia navoaka tato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Hatramin'ny fanombohan'ny volana desambra, nanoratra karatra krismasy niaraka tamin'ireo namany ao amin'ny Oniversiten'i Ryerson ao Toronto i Moon. Nividy karatra any am-pivarotana ry zareo ary nameno ireny amin'ny firariantsoa amin'ny fety avy amin'ny taratasy iray natao lasitra.

Tafavory amin'ny efitrano iray tahaka ny toerana fanaovana atrikasa, mandika hafatra mitovy hatrany ry zareo, manapaka stickers handravahana ny karatracards, mametraka azy ireo ao anaty valopy ary manapaingotra boky kely manazava ny saritaka politika any Hong Kong izay izay mandrangotra ny tanàna mihoatra ny herintaona izao.

Izao ezaka ataon-dry zareo izao dia valiny avy amin'ny antso iray iray hita ao amin'ny Fantsona Telegram Free HK Xmas Card [Karatra Afaho HK krismasy] hanao hetsika iray. Niangaviana ny mpandray anjara hanoratra karatra krismasy ary handefa ireny amin'ny olona manerana izao tontolo izao. Nilaza i Fung, admin an'ilay fantsona fandefasan-kafatra, fa kinendriny ny “hanao ny firariantsoan'ny vahoakan'i Hong Kong ho firariantsoa krismasy manerantany ho an'ny rehetra.”

Nalefa kitanontanona amin'olon-tsy fatatra ny karatra namboarin'ny volantera (volunteers), nalefa ihany koa ho an'ny dadabe noely manerantany, sehatra famoaham-baovao, namana sy fianakaviana. Nanapa-kevitra i Moon handefa karatra ho an'ny profesorany ao amin'ny oniversite misy azy.

Saripika: Fantsona Telegram Karatra Krismasy Afaho HK. Nandalo HKFP

Nilaza izy fa nahazo tamberina miabo avy amin'ny sasantsasany amin'ny mpampianatra azy raha nanamarika ity tetikasa iketrehany ity izy:

They thought it was a creative and innovative way to bring activism into conversations… It was a pretty good event where people in our group can try to connect to [people in Canada] by practically putting our hands down [to write] and starting more conversations about what’s happening in Hong Kong.

Nihevitra ry zareo fa fomba iray vaovao sy manavao izy ity hitondra ny fikatrohana ho any amin'ny resadresaka… Nahafinaritra ery ny mahita ireo olona ao amin'ny vondrona misy anay afa-mifandray amin'ny [olona any Canada] amin'ny fampidinana ny tananay [hanoratra] sy manomboka resadresaka bebe kokoa momba izay mitranga ao Hong Kong.

Saripika: fantsona Telegram Karatra Afaho HK krismasy. Nandalo HKFP.

Manodidina ny 4000 eo ho eo ny isan'ny olona misoratra anarana ao amin'ilay fantsona Telegram, nahazo mpandray anjara maro ny Karatra Krismasy Afaho HK, ao anatin'izany ny Hongkongers tahaka an'i Moon sy ireo namany miaina ampitan-dranomasina.

Raha iverenana ny tamin'ny volana Oktobra, nisantatra ny fanentanana #freehkxmascard i Fung satria mino izy fa rahonana ny zo hanao hetsi-panoherana. Izao tetikasa izao dia natao ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, misaina ary tsy manao herisetra ka mahatsapa fa toa tsy ampy ny fandraisan-dry zareo anjara.

Maro ireo olona manao volantera handika an-tsoratra ireo fiarahabana fety amin'ny fiteny samihafa sy hanoratra taratasy mitovy rafitra ho an'ny olona manana fiaviana sy saranga samihafa. Miisa 21 ny mpikambana fototra amin'izany, ka ny sivy monina ao Hong Kong ary ny ampolony ambiny any ampitan-dranomasina.

Nandray anjara tamin'ny fanentanana ihany koa ny New South Wales Hongkongers, fikambanan'olompirenena miorina ao Aostralia, mba hahatonga ny tanjona ho tontosa. Niteny i Fung:

I think maybe peaceful protesters are able to do more than going to rallies. Spreading awareness to the world is a new way out.

Mihevitra aho fa afa-manao zavatra mihoatra noho ny mandeha mamonjy fihaonana ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana. An-dalana ny fomba iray vaovao hanaovana fampahafantarana amin'izao tontolo izao.

Saripika: fantsona Telegram Karatra Afaho HK krismasy. Nandalo HKFP.

Ao anatin'ireo kinendry ihany koa ny olo-malaza ara-politika. Araka ny paositra Twitter navoakan'ilay Danoà politisiana Uffe Elbæk sy ilay Senatera Aostraliana Liberaly James Paterson, nahazo fiarahabana fety avy amin'ny olom-pirenen'i Hong Kong ry zareo ireo.

Misaotra anareo ry NSWHongkongers noho ireo karatra krismasy mahafinaritra ireo.

Misaotra ny vondrona i Paterson noho ireo karatra krismasy. Namoaka ny sarin'ireo karatra krismasy ireo ahitana sariolona manao sarontava eo ambanin'ny soratra-sady-ravaka rafetin'ny voambolana mampiseho an'i Hong Kong izy. Nanambara ilay politisiana fa ireo no tiany indrindra.

Ao amin'ny paositra an'i Elbæk, niara-naka sary tamin'ireo karatra krismasy azony izy ary nanarona ny masony ankavanana, fihetsika manondro firaisankina amin'ny volantera mpitsabo iray naratra maso nandritra ny fihetsiketsehana iray tamin'ny asara [andro mafana].

Andro farany ato amin'ny biraoko ato amin'ny parlemanta mialoha vakansy. mipetraka aorian'ny sasany amin'ireo fiarahabana krismasy maro dia maro aho. Naharay avy amin'ny olon-tsotra avy any Hong Kong aho. Repotra tanteraka aho. Zavatra iray ihany no azoko lazaina: mijoro miaraka amin'i Hong Kong ary hiaraka aminareo anie ny hery #dkpol

Ankilan'ny politisiana, nahazo valiny avy amin'ny Postcrossing, tetikasam-pifanakalozana karatra paositra ahafahan'ny olona mifanakalo karatra paositra avy amin'ny olon-tsy fantatra manerana izao tontolo izao, ihany koa ny mpandray anjara.

Saripika: fantsona Telegram karatra Afaho HK Krismasy. Tao amin'ny HKFP

Nilaza i Fung hoe takany tsara fa tsy voatery hanampy an'i Hong Kong ny firenena vahiny, saingy mino ny fiantraikan'ny karatra krismasy izy:

If we forcefully shove data and facts [in] foreigners’ faces, they might be overwhelmed by the message and not read it. Christmas cards are more approachable to all walks of life.

Raha manesika angondrakitra sy zavamisy eo amin'ny tavan'ny vahiny isika, dia mety ho difotry ny hafatra ry zareo ka tsy hamaky izany. Mora anatonana kokoa amin'ny sarangam-piainana rehetra ny karatra krismasy.

Nolazain'i Moon fa nahafahan'ny Hongkongers manatona [manoratra] olona tsirairay manokana ny karatra krismasy fampahafantarana:

[W]e tried to connect with them on a one-on-one level, and that gave us a little bit more appreciation. They would be more open to receiving information about Hong Kong.

Niezaka nifandray tamin'izy ireny tsirairay mihitsy izahay, ary nahazoana fankafantarana eo ho eo ihany izany. Efa misokatra kokoa ry zareo ny handray vaovao [torohay] momba an'i Hong Kong.

Nilaza i Fung fa tsy nandray antsoratra ny isan'ny karatra nalefa izy. Nolazainy na izany aza fa mihoatra ny 30.000 ny isan'ny karatra nalefa tamin'ny Novambra fotsiny.

Koa satria moa efa hifarana ny fotoam-pety, dia nandefa lanonana roa vaovao i Fung sy ny ekipany— Karatra Free HK Nengajo sy Free HK Lunar [Afaho HK Nengajo sy Afaho HK manara-bolana] ho fampahafantarana bebe kokoa ny fitakian'ny hetsika mankany amin'ny taona vaovao.

Nilaza i Fung fa natao ho an'ny Japoney ny Afaho HK Nengajo. Endrika fiarahabana taombaovao any Japan ny Nengajo. Mitovy amin'ny karatra krismasy ilay izy ary lalana iray hifandraisana amin'ireo taranaka efa antitra kokoa ao Japana izay mety tsy hiraharaha loatra ny zava-bahiny sy ny raharaha any ivelany.

Mitovy amin'izany ihany, mety ho ampiasaina koa ny karatra Afaho HK manara-bolana hampielezana fanairana fa tsy ho an'ny Shinoa ihany ny Taona Vaovao fa ho an'ny rehetra. Nilaza i Fung:

I hope this event will inspire the peaceful, rational and non-violent protesters to carry on.

Manantena aho fa hitondra aingampanahy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana, am-pisainana ary tsy manao herisetra hanohy ny tolona izao

Raha misy mety hieritreritra fa tsy hanova na inona na inona izany fandefasana karatra krismasy izany, nilaza kosa i Fung fa mety ho tonga ihany ny Fiantraika lolo (effet papillon) – ilay fiteny amin'ny hoe ny fiovana kely mety ho afaka manao fahasamihafana lehibe ao anatin'ny rafitra:

Never underestimate the power of your action… After all, our movement started with something small and turned into something massive.

Aza ataonao tsinontsinona mihitsy ny herin'ny zavatra ataonao…  Efa hita ihany fa niainga tamin'ny zavatra kely ny hetsika nataontsika ary nivadika ho zavatra goavana.

Solon'anarana hiarovana ny mari-panondroana azy ireo fandrao ipitihan'ny rà ny Moon sy Fung.

Mpianatra ho mpanora-gazety avy ao Hong Kong monina ao Toronto i Heidi Lee. Nanoratra ho an'i Eyeopener, gazetin'ny mpianatra mahaleotena ao amin'ny Oniversiten'i Ryerson izy hatramin'ny taona 2018.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.