Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Novambra, 2019
Midika ny fandresena miezinezina azon'ny pro-demaokraty tamin'ny fifidianana isan-toerana ao Hong Kong, fa maka sisiny i Beijing
Raha marina ny hoe te-hamerina ny filaminana ny vahoaka, maro no mahatsapa fa ny governemanta no voalohany nahatonga ny korontana.
Tsikerain'ny FTMF ny fandanian'i Hong Kong ny lalànan'ny hamehana mandrara ny saron-tava mandritra ny hetsi-panoherana
Noresahina farany tamin'ny taona 1967, lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany izay manome fahefana tsy voafetra ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny fotoanan'ny "hamehana na loza mitatao ho an'ny vahoaka" ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Hamehana.
Mamaly ny lehiben'ny tafika Thailandey ilay mpikatroka Hong Kong Joshua Wong
Manome vaovao farany momba ny fihetsiketsehana any Hong Kong sy mamaly ireo fiampangana nataon'ny jeneraly Apirat Kongsompong, lehiben'ny tafika Thailandey i Joshua Wong.
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.
Hetsika fanoherana ny fanolorana mpitsoaponenana meloka, sary fanehoana “amina endrika tsy tena izy” ataon'ny mpanakanto iray ao Hong Kong an'izany
Ho fanampin'ny Rindrina Lennon, nampitaha an'ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ireo tena maherifo indrindra ny asany, nampitaha ny fahefan'ny fanoherana amin'ny Dragon Ball Z ary nampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana ho toy ny mitolona amin'i Gozilla
Nihamahery vaika ny herisetran'ny polisin'i Hong Kong: mpanao fihetsiketsehana voatifitra akaiky
Nihamafy ho fanakanan-dalana sy fitokonana manerana ny tanàna ny hetsi-panoherana ao Hong Kong, taorian'ny filazana fisian'ny angaredona fanolanana tao amin'ny paositry ny polisy iray sy ny fahafatesan'ny mpianatra oniversite iray 22 taona.
Mampiseho ny fitsapan-kevitra fa tsy matoky ny polisy ao an-tanàna intsony ny ankamaroan'ny vahoakan'i Hong Kong
Nesorin'ny governemantan'i Hong Kong tamin'ny fomba ofisialy ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana an-tanindrazana tamin'ny 23 Oktobra, saingy mitohy ny fihetsiketsehana ary adino ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana satria ny olana momba ny herisetran'ny polisy sy ny fampiasana herisetra no lasa ahiahy lehibe indrindra ao an-tanàna.
Lasa mahery setra kokoa ny hetsi-panoherana ao Hong Kong satria tsy hita ny rariny
"Tsy hangataka aminao aho hizaka herisetra, mangataka anao aho hahatakatra (ny anton')izany."
Manampahefana ao Hong Kong, sahirana manenjika ny fiparitahan'ireo habaka virtoaly mivoy filambaniny ara-pananahana
"Amin'izao fotoana izao, tsy misy lalàna mandrara manokana ny fanaovana "upskirting" (fakàna sary ambany zipom-behivavy) ary rehefa mamaky ny tatitr'ireo mpampahalala vaovao momba ny heloka bevava, dia miha-maivana tokoa ny sazy"