Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Aogositra, 2012
Hong Kong: Olompirenena Manaisotra Ireo Kanetim-Plastika Nitondraka Nandritra Ny Rivodoza
Mihoatra ny 150 taonina ny kanetim-plastika novokarin'ny SINOPEC no nitondraka tany an-dranomasina rehefa niditra tao Hong Kong ny rivodoza (Typhoon) Vicente tamin'ny 23 Jolay 2012. Saingy sady tsy nilaza ny toe-draharaha tamin'ny olona ny fitondrana ao Hong Kong no tsy nandray ny andraikitra hanao ny fanadiovana mandra-pahitan'ny olo-tsotra ny kanetim-plastika nanemotra ny tora-pasika...
Hong Kong: Voahenjika Ho Nanala-baraka Ny Google
Albert Yeung Sau-shing, ilay lehiben'ny Vondron'ny Mpanjaka any Hong Kong dia manenjika ny Google Inc noho ny fanalàm-baraka..Efa nanaisotra fara-faharatsiny lahatsoratra telo tafiditra tanatin'ny lisitr'ireo voalaza fa manala baraka tsy ho ao anatin'ny fikarohana ny Google Google (google.com.hk). Amin'izao fotoana izao rehefa mikaroka ny anarana Albert Yeung Sau Shing isika, misy fanamarihana mipoitra ao anatin'ny vokatry ny fikarohana
Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana
Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...
Hong Kong: Voatafika Ny Biraon'ny Fanaovan-Gazetin'Olon-tsotra
Ny 8 Aogositra 2012, lehilahy 4 nisaron-tava no niditra amboletra tao amin'ny biraon'ny vondron'ireo miaro ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra ary namotika ireo solosaina fitaovam-piasàna tao [Fampahafantarana: mpikambana ao amin'izany ny mpanoratra ity lahatsoratra ity amin'ny teny Anglisy]