Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Oktobra, 2019
Nesorin'ny Google tao amin'ny Play Store ny lalao miantsehatra amin'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong
Manome ny antsipirihany momba ny toe-draharaha politika izay mitarika ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintany misy ny toerana hitrangany ao Hong Kong ilay lalao finday antsoina hoe "Ny Revolisiona amin'ny Androntsika".
Nandrara ilay mpilalao e-sport ao Hong Kong tsy hanao fifaninanana noho ny hiaka nataony momba ny teny filamatra manohana ny demokrasia ny orinasa Amerikana Blizzard mpamokatra lalao
Ho esorina amin'ny fifaninanana ilay mpilalao e-sport sady tsy omena loka lelavola ary voarara tsy hifaninana amin'ny Hearthstone hatramin'ny taona 2020. Manana ampaham-bola 5% ao amin'ny Blizzard ny orinasan'ny teknolojia Shinoa goavana Tencent.
Hetsika tsy nahazoana alàlana tany amin'ny fiantsonan'ny metro tao Hong Kong, niafara tamin'ny fanafihan'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny alalan'ny langilangy sy tsifotra misy dipoavatra
Nipoaka nanerana an'i Hong Kong ny fifanandrinana mahery setra taorian'ny nihantsian'ireo olona an'arivony maro ny fandraràna nataon'ny polisy sy nivoriany tsy "nahazo alàlana" tamin'ny faran'ny herinandron'ny 31 Aogositra 2019.
Mandrisika ny mpiserasera ny Fahitalavi-panjakana ao Shina mba handrahona ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo amin'ny tranonkala
Nandrisika ireo mpiserasera Shinoa ao amin'ny tanibe ny haino aman-jerim-panjakana ao Shina mba hampiasa ny tranonkala fandrahonana (doxing) hkleaks.ru mba hampibaribary ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong.
Taolana tapaka, ratra anaty: Mampiasa paikady ‘sahisahy, tsy manavaka’ ny polisin'i Hong Kong mandritra ny fihetsiketsehana, hoy ny Amnesty
"..mampiasa herisetra ny polisy mialoha sy mandritra ny fisamborana, eny fa na dia efa tsy afa-mihetsika sy voatazona aza ilay olona. Hita tokoa fa tafahoatra ny fampiasan-kery, manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena..."