Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra: ny fanantenana ao Iràna anatin'ny vanimpotoana sarotra

Sariitatra pôlitika nataon'i Kianoush Ramazani, fampiasàna nahazoana alàlana

Volana telo izay no lasa hatramin'ny namonoan'ny pôlisin'ny fitondrantena an'i Mahsa Amini, noho ny fiampangàna azy ho nanitsakitsaka ny fepetra henjana momba ny fitafy ao amin'ny firenena, niteraka hetsipanoherana tsy mbola nisy toa azy nanerana ny firenena.

Ary na niditra tamin'ny fampitomboana ny tetikady henjana fanaony aza ny fanjakana mba hamerenana ny fifehezana, isan'izany ireo famonoana imasom-bahoaka maimaika ataony an'ireo tanora mpanao hetsi-panoherana ny governemanta, toa zara raha misy fiantraikany amin'ny mety ho fanirian'ny vahoaka hampitsahatra ny hetsika izany.

Miaraka amin'ireo zavatra manjombona ireo ao an-tsaina,  Kianoush Ramazani, mpikatroka iray efa nahazo loka no sady mpanao sariitatra pôlitika, dia nitafa tamin'ny alàlan'ny Zoom tamin'ny Global Voices momba ny fiaretan'ny vahoaka iraniàna nandritra ireo hetsipanoherana misy amin'izao fotoana izao, ary koa ny toeran'ny sariitatra pôlitika eny anivon'ireo endrika hafan'ny fanehoankevitr'ireo Iraniàna.

Sariitatra pôlitika nataon'i Kianoush Ramazani, fampiasàna nahazoana alàlana

Tohanan'i Kianoush ny hoe ireo hetsipanoherana ao Iràna dia miavaka amin'ireo hetsipanoherana tany am-piandohany, toy ny Hetsika Maitso Iraniàna izay nahatarika ny vahoaka hidina an-dalambe hanohitra ny  fifidianana ny ho filoham-pirenena iraniàna tamin'ny 2009 , niafara tamin'ny fanaovan'i Kianoush sesitany ny tenany tamin'ny 2009.

Izy ireny dia tsy mitovy ihany koa amin'ireo hetsipanoheran'ny sivily nanerana ny firenena tamin'ny 2019-2020, matetika fantatra amin'ny hoe Novambra Mihoson-drà, izay napoakan'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika ho 50-200 isanjato talohan'ny nivadihany ho hetsika henjana nanoherana ny governemanta. Manazava izy:

Izaho mino fa ireo hetsipanoherana misy amin'izao fotoana izao dia hafa mihitsy amin'ity indray mitoraka ity satria vehivavy no mitarika azy. Ny hijab, izay mariky ny fialàna aina sy ny famoretana natao tamin'ny vehivavy nandritra ny 43 taona mahery no tena fon'ireny hetsipanoherana ireny.

Rehefa mahita vehivavy mandoro ny hijab-ny ianao, na dia fantatr'izy ireo aza ny fisian'ireo rantsana maro ary hainy fa tsy ho avelan’ ireo Mullas handingana fotsiny izao ny faritra mena ry zareo, dia takatrao fa hafa ilay izy.

Rehefa ianao no mahita maso ny fahasahiana tsy mampino tahàka izany, dia fantatrao fa tsy 2009 na 2019 io. Nandritra ireny hetsipanoherana ireny, ny vahoaka dia nanantena fotsiny ny hitomboan'ny zo fa tsy ny fiovàna hatrany ifotony.

Fa ankehitriny, rehefa hitanao ireo vehivavy tena mbola tanora tokoa mitarika ny hetsika; ary hitanao ireo lehilahy, antitra sy tanora, miaritra ny fandatsahan-drà, dia azonao atao ny miteny hoe ‘horohorontany’ ity .

Izaho mino fa lasa niha-nahery setra kokoa ny fitondrana satria tonga saina ny momba izany ry zareo.

Araka ny fanamarihan'i Kianoush, io faniriana tsy hay tohaina mikatsaka fiovàna hatrany ifotony io dia, indrisy, mitarika ho amin'ny famoretana misimisy koka sy ny fahafatesana, indrindra fa eo amin'ireo tanora izay manonofy hoavy vaovao ahafahan-dry zareo mifehy bebe kokoa ny fitantaràna avy amin'izy ireo manokana.

Ny hafainganana nasehon'i Iràna tamin'ny namonoany ilay Iraniàna 23 taona, mpiangaly taranja Tolona, Majidreza Rahnavard, izay nahantona tamin'ny 12 Desambra, tsy ampy iray volana akory taorian'ny nisamborana azy, dia manamarina ny filazàn'i Kianoush. Mamelabelatra izy:

Noho ireo trangan-javatra vao haingana, ny ratsy indrindra no atahorako. Satria nitatra io ho hetsipanoherana nanerana ny firenena, hamono olona maro ny fitondrana, hanamafy ny hoe tsy voafetra ho ana vondrona, foko, finoana na faritra ny fanentanana hisian'ny fiovàna. Niely any rehetra any ilay izy.

Efa nanomboka sahady ny famonoana, izay valinkafatra mampahonena avy amina fanjakana osa izay miezaka amin'ny fomba rehetra hamafy horohoro. Tsy manao afa-tsy ny mandranitra ireo tanora kokoa izany. Tena tsy mitovy amin'ny andian-taranaka misy antsika izy ireny; isika somary mpifikitra amin'ny nentin-drazana, fa tsy manana na inona na inona atahorany ho very ity andian-taranaka ity no sady tonga saina kokoa, sahy, ary miala sarona noho ny fampiasàna ny teknôlôjia atolotry ny aterineto.

Diso tsapan'ny fanjakana loatra koa ny lanjan'ny aterineto ho an'io andian-taranaka tanora io, indrindra fa nandritra ireo fotoana nisian'ny korontana,  rehefa nampiasainy izy io handrindràna hetsipanoherana, hiraketana ireo fanitsakitsahana zon'olombelona ary hizaràna amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga eny an-kianja.

Vokany,  im-betsaka ireo Iraniàna manampahefana no nanapaka ny fifandraisana aterineto tamin'ny finday ary nanatsahatra ireo tolotry ny Instagram sy ny WhatsApp, roa amin'ireo tolotra media sôsialy malaza indrindra ao amin'ny firenena. Io hetsika io dia mampahatsiahy ny fanakatonana ny aterineto nanerana ny firenena nataon'ny governemanta iraniàna tamin'ny 2019, niafara tamin'ny fahatapahan'ny aterineto azo lazaina ho manontolo nandritra ny enina andro talohan'ny namonoana olona 1.500 teo ambany aloky ny fanidiana ny aterineto.

Na eo aza ny ahiahiny, Kianoush dia manana finoana ny faharetan'ny vahoaka iraniàna, ary mitohy manantena fa hahita fomba hatrany izy ireo hilazàna amin'izao tontolo izao ny zavatra mitranga ao amin'ny fireneny:

Takatry ny olona ny fomba atao mba handinganana ireo fanapahana sy fampiatoana ny aterineto. Na eo aza ireo ezaka tsara indrindra ataon'ny governemanta, ireo olona mipetraka any ivelan'i Iràna dia mbola afaka hatrany manohy mifandray amin'ireo monina ao anatin'i Iràna. Izaho dia manohy maka tsara ny aingampanahiko avy amin'ireo vahoaka eny an-kianja mba hanaovako ny sariitatro.

Ireo Iraniàna mpanao gazety monina ao anatiny sy ivelan'i Iràna dia nanao ihany koa asa mahazendana, nanokana ny fotoanan-dry zareo hanoratana, hanelezana ireo vaovao ary hanentanana momba izay mitranga, amin'ny fampiasàna izay loharano rehetra azon'ny tànan-dry zareo raisina, isan'izany ny mediam-bahoaka.

Isaky ny minitra  isika dia mandre zava-baovao hatrany, tsy mitsahatra velively ny vaovao.

Fientanan'ny famoronana…sy ny fanantenana

Sariitatra pôlitika nataon'i Kianoush Ramazani, fampiasàna nahazoana alàlana

Ankoatry ny hadiry tsy mampino amin'ireo vaovao azo raisina momba azy sy avy ao Iràna, lasa mihatsapan'izao tontolo izao hatrany hatrany ny zavakanto miavaka vokarin'ireo Iraniàna avy ao anatiny sy ireo any am-pielezana. Araka ny anipihan'i Kianoush azy, niavaka hatrany ireo sariitatra pôlitika nanoloana ireo endrika hafan'ny fanehoankveitra tao Iràna:

Hatry ny ela ny sariitatra pôlitika no efa nalaza teny anivon-dry zareo Iraniàna. Mba hampiako ny feon'ny vahoaka sy mba hitantaràna izay zavatra tsy vitan'ny vahoaka ny nitantara azy noho ny nanjo azy ireo sy ny toerana nisy azy ireo, dia teny foana nandritra ireo fotoan-dehibe teo amin'ny tantara maoderin'i Iràna ireo mpanao sariitatra.

Ho an'ireo Iraniàna, zavadehibe taminy hatrany ny mahita ireo mpanao sariitatra teo amin-dry zareo – izay ny ankamaroany no, indrisy, monina any an-tsesitany- sy ny miteny ny fiteniny ary mampahafantatra an'izao tontolo izao izay ilaina ambara. Io dia fanehoana firaisankinan nefa koa lasa andraikitra.

Ankoatra izany, ho azy ireo ny sariitatra dia manana endrika iray hafa, azo ampifandraisina izy ireny, ary tsy mila mahay fiteny hafa akory ny olona dia efa afaka mahatakatra azy ireny. Afaka zaraina sy ampiasaina mora foana ho amina fanentanana ireo sariitatra. Ny momba izay no tiako hovelabelarina.

Misy fiantraikany amin'ireo hetsika sôsialy sy pôlitika izay mandeha lavitra noho ny andraikiny amin'ny fampahafantarana an'izao tontolo izao ny zava-mitranga ireo sariitatra pôlitika maneho ny tolon'ireo Iraniàna mba handreseny ny tahotr'izy ireo ; mamboly fanantenana ry zareo, araka ny anipihan'i Kianoush azy:

Rehefa mamorona sariitatra momba an'i Iràna aho, dia laroiko sira kely: ny fanantenana.

Rehefa misy hetsika iray ao Iràna, tsy ampy ny hoe manaingo fotsiny ny zavatra mitranga. Mino aho fa ny fanomezana fanantenana ny olona dia hanome azy ireo angovo misimisy kokoa sy fandrisika ho entiny manohy.

Taorian'ilay fahafatesana mampahonena nahazo an'i Mahsa Amini sy ny fipoahan'ireo hetsipanoherana tao Iràna, nanomboka nanana nofinofy, faniriana sy fanantenana ny vahoaka. Ny fandraisako anjara, mino aho, dia ny mandoko ireny fanantenana sy nofinofy ireny amin'ny endrika sariitatra.

Rehefa mifarana any andro, ary na eo aza ny haizina, mbola manana fanantenana ny amin'ny hoavy aho, satria tsy niraviravy tànana ireo Iraniàna. Nihoaran-dry zareo tamin'ny fomba ôfisialy ny tahotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.