Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto
(Fanamarihana : lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2009)
Nanao fanadihadiana momba ireo toeram-pitsaboana miompana amin'ny fitsaboana ny fiankinandoha amin'ny aterineto any Shina ny mpanao gazety iray avy amin'ny 21st Century Business Herald, Guo Jianloong (郭建龍) . Nosivanin'ny lehibeny ny ampahany amin'ny lahatsorany, ka navoakany tao amin'ny bilaoginy [amin'ny teny shinoa].
Fanadihadiana voasivana
Abaribariny ao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray natokana hitsaboana ny fiankinandoha amin'ny aterineto, ny ” foibe shinoa mitsabo ireo miankindoha amin'ny aterineto “, any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin(楊永信. Nanetsika ireo ray aman-deny mba hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay fomba fanao ao amin'ny toeram-pitsaboana. Fa inona no zava-nisy tao amin'io toeram-pitsaboana io ?
Araka ny lahatsoratry ny Guo dia nankany amin'io foiben-toerana io izy ny 21 aprily mba hilaza amin-dry zareo fa miankindoha amin'ny aterineto ny rahalahiny. Tamin'ny fanaovana izany, no nahafantarany fa hidiana an-kery anaty efitrano ireo ankizy ary dorana amin'ny herinaratra.
Tombontsoa mivangongo
Hazavain'ilay mpanao gazety amintsika fa lasa fivangongoanà tombontsoa ny fitsaboana ny fiankinandoha amin'ny aterineto any Shina. Eny an-tampony no misy ireo vondrona manam-pahaizana izay mamaritra io fiankinan-doha io ho tahaka ny aretin-tsaina. Mahafinaritra ny ray aman-dreny tsy mahay manabe ny zanany io karazana fanazavàna psikiatrika io ary ny fomba filazàn'ireo manampahaizana dia ahafahan-dry zareo miala mora amin'izany. Resa-bola no tena manosika ireo manampahaizana ireo, mazava ho azy. Ny iray fotsiny amin'ireo toeram-pitsaboana ireo dia mety mahazo yuan an-tapitrisany maro isantaona nefa ny ankizy dia ho voadona sy ho saro-tahotra mandakizay.
Tantaran'i Teng Fei, tanora tovolahy 17 taona, no velabelariny ao amin'ny lahatsorany. Tamin'ny aprily 2008, dia niangavian'ny rainy izy hiaraka aminy ho any amin'ilay toeram-pitsaboana mba hanaovana fizahàna, nefa fantany taty aoriana fa namadika azy ny ray aman-dreniny. Raha ny marina, ny fianakaviany no nandefa ny ankamaroan'ireo “marary”, izay eo anelanelan'ny 13 sy ny 30 taona, ho any nefa tsy araka ny sitrapony. Nalefa any amin'ny efitra faha 13 avokoa izy rehetra ho “fanombohana ny fanarahamaso” mandritra ny fizahàm-pahasalamana voalohany. Ao anatin'ny adin'ny roa dia voasonian'ny rehetra avokoa ireo taratasy manaiky ny fitsaboana. Nahoana ? Satria tafiditra ao anatin'io fitiliana voalohany io ny fandorana amin'ny herinaratra ! Nodorana tamin'ny herinaratra nandritra ny antsasakadiny i Teng Fei tamin'io fizahàna voalohany io ary raha mandà tsy hanao sonia taratasy izy dia mbola hahazo mnismisy kokoa indray.
Fandorana amin'ny herinaratra mandra-panaiky
Rehefa avy nanasonia ilay taratasy fanekena, dia maharitra volana efatra sy tapany ny fitsaboana. Misy fitsaboana fito amin'ny alàlan'ny fandorana amin'ny herinaratra ao anatin'ny 6 herinandro latsaka. Alohan'ny hahazoana ireo fitsaboana ao amin'ny efitra faha-13, mandritra ny fotoana fanaovana tombatombana in-droa isanandro dia tsy maintsy voakiana in-dimy ny marary. Mahazo fanakianana ireo izay tsy miara-miasa na manohitra.
Sazy sy fanambaniana
Isaky ny maraina, dia misy fivoriana mba hanerena na hanarabirabiana ampahibemaso ireo marary tsy manaiky mora foana. Olona 300 eo ho eo no mitambatra ho mpanatrika ary izany dia mampahatsiahy ny fitsaràna ampahibemaso sy ny fampijaliana ara-tsaina nandritra ny revolisiona ara-kolontsaina. Ohatra, takiana hiaiky ny fahadisoany ny marary sady handaza ampahibemaso ny an'ny hafa, tsy maintsy miondrika eo amin'ny ray aman-dreniny ny ankizy ho mariky ny fankatoavana. Indrisy, resy lahatra amin'ny fahombiazan'ny fitsaboana tahaka izany ireo ray aman-dreny.
Isaky ny maraina, tsy maintsy manatrika ireny famoriambahoaka sy ny fizahana-fampisehoana ireny ireo marary, fanazarantena ara-miaramila ny folakandro ary tsy maintsy miaiky heloka ampahibemaso ny hariva. Tsy maintsy mihinana fanafody fampitoniana ihany koa ry zareo.
Nanandrana nandositra i Teng Fei iray volana sy tapany taorian'io fitsaboana noterena io. Saingy tsy nanaiky ny ray aman-dreniny, dia tsy maintsy niverina tany amin'ny toby izy. Ny alina, niaritra fandorana amin'ny herinaratra antsasakadiny izy ary tsy maintsy niankohoka amin'ny fomba tibetàna ( mitehaka amin'ny tany daholo ny vatana rehetra) in-2 ka hatramin'ny 300 mandra-pisasakalina mialoha ny hahazoany alàlana hatory. Soa ihany fa tonga saina ny rainy nony farany ka namoaka azy tao amin'ilay toeram-pitsaboana satria diso fandray fanapahankevitra. Tsy maintsy nandoa 5.000 yuan ihany anefa izy noho ny nanapahana mialoha ny fifanarahana ary 15.000 yuan ho sandan'ireo 6 volana nidirana hopitaly. Mahatratra 30.000 yuan ny fitsaboana feno ( efatra volana sy tapany).
ora 6 eo amin'ny aterineto dia mahatonga anao ho mpiankindoha
Araka ny tatitra momba ny fizahàna psikiatrika nivoaka tamin'ny novambra 2008 tany Pékin, dia azo heverina ho mpiankindoha izay olona rehetra rehetra mijery aterineto mihoatra ny 6 ora isanandro. Isan'ny iray amin'ireo foibe shinoa misahana manokana ny fitsaboana ny fiankonandoha amin'ny aterineto ny Lin Yi, iray amin'ireo toeram-pitsaboana tato anatin'ny taona vitsivitsy misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto. Hatramin'izao, ny haino aman-jery – izay fehezin'ny governemanta – no tena mankasitraka ireo fitsaboana tsy araka ny maha-olona ireo. Fa ireo mpitoraka bilaogy kosa dia mivoy ny fanadihadiana nataon'ny Guo amin'ny tranonkalany no sady manaparitaka ny rohy amin'ny Twitter sy ireo tranonkala sosialy hafa.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...