Mananontanona Ilay Hopitaly Fitsaboana Homamiadana Tsara Indrindra Any Maosko Ny Fisintahan'ny Fanjakana

Moscow City Oncology Hospital No. 62. Source: http://onco62.ru/history/.

Hopitaly No.62 Fitsaboana homamiadana ao an-tanànan'i Maosko. Loharanon-tsary : http://onco62.ru/history/.

Tamin'ny 8 Novambra, nosoniavin'ny ben'ny tanànan'i Maosko, Sergey Sobyanin, ny didim-panjakana ao anatin'ny lalàna manaisotra ny satan'ny fizakantenan'ny Hopitaly No.62 fitsaboana homamiadana any Maosko, iray amin'ireo hopitaly tsara malaza fitsaboana homamiadana any Mosko. Amin'ny fiteny ara-teknikan'ny manampahefan'ny tanànan'i Mosko dia efa ‘nohatsaraina’ araka izay zakan'ny tetibolan'ny fiadidian'ny tanàna ilay hopitaly, ary hita maso ny fahombiazan'ny fanatsarana ilay rafitra.

Fa ho an'ny maro, dia tsy toy ny dingana mankany amina fanatsaràna ilay fandaminana vaovao ho an'ny hopitaly No.62 fa dingana mankany amin'ny fanakatonana– ampahany amin'ny hetsika lehibe mizotra ho any amin'ny fisintahan'ny fanjakana amin'ny rafitra ara-pahasalamana Rosiana, izay heverina fa tokony hitsabo maimaimpoana ireo olompirenena 140 tapitrisa ao amin'ny firenena. Marina tokoa fa telo herinandro latsaka taorian'ny nanaovan'i Sobyanin sonia ilay didim-panjakana dia nametraka fialàna ny mpitsabo lehiben'ilay hopitaly ary nanomboka nanontany tena ny amin'ny hoavin'ilay toeram-pitsaboana ireo mpitsabo. Betsaka ny manontany ny mety ho faharetan'ny fisian'ilay rafitra miaraka amin'ny fisian'ireo hopitaly tsy miankina nasolo ireo hopitalim-panjakana manodidina an'i Maosko sy miaraka amin'ireo hopitalim-panjakana sisa izay miha-feno olona hatrany sady tsy ampy vola.

“Ho tsara ny zava-drehetra, afa-tsy ny fikarakaràna ny marary”

Toy ny hoe teo noho eo ihan dia nanomboka nanontany ny fahendrena –sy ny antony ambadika  — amin'ilay ‘fanatsaràna’ ireo mpitsabo ao amin'ny hopitaly No.62. Toa vao mainka mampiakatra ny vola lany ilay fandaminana raha tokony hampihena izany, angamba ny zava-dehibe indrindra, dia ny fanovàna ny fomba fahazoan'ny hopitaly ny fanafody. Amin'ny maha-rafitra mizaka tena ilay hopitaly No.62, dia azony atao ny mangataka tolotra mora sy mifampiraharaha mivantana momba ny vidin'ny fanafody amin'ireo orinasa fivarotana fanafody. Ankehitriny, efa tafiditra ao amin'ny tetibolan'ny tanànan'i Maosko ny an'ilay hopitaly, noho izany dia ny Fiandraiketan–draharaha misahana ny fahasalaman'ny tanànan'i Maosko no tsy maintsy manao ny fividianana.

Hopitaly No.62 fitsaboana ny homamiadana any Maosko. Loharanon-tsary : http://onco62.ru/history/.

Tamin'ny resadresaka tamin'ny 8 Desambra nitondra ny lohateny hoe ” Ho tsara ny zava-drehetra, afa-tsy ny fikarakarana ny marary” dia nambaran'i Anatoly Makhson, mpitsabo lehiben'ny hopitaly No.62 fa ny fiakarana im-betsaka tamin'ny vidim-panafody no naterak'ilay fandaminana ; ny fidiran'ny Fiandraiketan-draharaha misahana ny fahasalamana an-tsehatra amin'ny dingan'ny famatsiana, hoy i Makhson, dia miteraka karazana “cartel” izay mety hivarotra fanafody lafo be noho ny tena vidiny.

Taorian'ny fifanjinjàn'ny vahoaka sy ny lefitry ny ben'ny tanàn'i Maosko miandraikitra ny fampivoarana ara-tsosialy, Leonid Pechatnikov (izay niandraikitra ny fanavaozan-drafitra), dia nametra-pialàna tamin'ny 23 Novambra i Makhson, izay nisahana ny asa maha-lehiben'ny hopitaly azy hatramin'ny 1990. Iray volana taty aoriana, dia niantso mivantana an'i Aleksandr Bortnikov, lehiben'ny sampan-draharaha federaly Rosiana miandraikitra ny fiarovana (FSB) izy, nangataka taminy mba hanadihady ny vola lanin'ny Fiandraiketan-draharaha misahana ny fahasalamana amin'ny fanafody. Araka ny filazan'i Makhson dia 2.900 robla no nividianan'ny Hopitaly No.62 ny fatra iray amin'ny ‘ Novotaks’  taloha, raha toa ka 25.400 robla no ividian'ny Fiandraiketan-draharaha misahana ny fahasalamana azy. Nampihena ny isan'ny marary azon'ny hopitaly tsaboina io fiakarambidy io hoy, i Makhson.

«Завышение закупочных цен привело к дефициту противоопухолевых препаратов отпускаемых по льготным рецептам в аптечных пунктах города и как следствие приведет к увеличению смертности от онкологических заболеваний»

Nitarika ny tsy fahampian'ny fanafody ‘antineoplastique’ ny fiakarambidin'ny tolotra omen'ireo fivarotam-panafody any Maosko, vokany hitombo ny tahan'ny fahafatesan'ny olona voan'ny homamiadana.

Valinkafatr'ireo Olona Malaza

Fotoana fohy taorian'ny nanambaràna ny fanatsaràna ny Hopitaly No.62, dia nanoratra lahatsoratra lavabe tao amin'ny Live Journal ny Rosiana lehibe iray malaza, Stalic Khankishiev, hoe nanasitrana ny homamiadan'ny zanany vavy nitondra vohoka sady namonjy azy ilay hopitaly, ka niantso izay ny mba hihemorana amin'ilay fanapahankevitra hanaisorana ny fizakàntenany amin'ilay hopitaly:

Такие больницы не закрывать надо и не оптимизировать, а распространять их опыт…Представляете, на всю Европу есть всего две лаборатории, рейтинг которых выше, чем у лаборатории 62-й больницы. И вот такое надо оптимизировать, да? Неужели эти люди не понимают, что разрушать такую больницу равноценно строительству газовой камеры?!

“ Tsy tokony hakatona na hatsaraina ny karazana hopitaly tahaka itony ; fa tokony hampitomboina aza ny traikefa ananany… Alaivo sary an-tsaina, fa tsy misy afa-tsy anankiroa fotsiny ny labaoratoara izay tombanana ho ambony kokoa noho ny hopitaly No.62 manerana an'i Eoropa. Ilaina hatsaraina ve izany io?… Moa ve tsy fantatr'ireo olona ireo fa ny fandravàna hopitaly tahaka itony dia mitovy amin'ny fananganana trano feno entona famonoana olona ?

Niparitaka haingana tao amin'ny haino aman-jery sosialy ilay lahatsoratr'i Khankishiev ; tamin'ny fotoana nanoratana an'ity, dia efa voazara maherin'ny in-26.000 tamin'ny Facebook izany.

Tsy ela dia efa namonjy ny hetsik'i Khankishiev ireo mpitsabo sy ireo mpikatroka mafana fo : nanomboka fangatahana tao amin'ny Change.org mba hamerenana indray ny fizakantenan'ny hopitaly i Ekaterina Ananeva izay marary ao amin'ny Hopitaly No.62 ny reniny. Sonia 559 no sisa tsy ampy amin'ny sonia 10.000 tratrarina amin'izao fotoana izao (22 Jan 17).

Satria tsy nitsaha-nitombo ny tsikera, dia nampangain'i Pechatnikov ho nividy fanafody lany daty ny hopitaly No.62 mba hitazonana ny vidiny mora – fiampangana izay niarahan'ny Ben'ny Tanànan'i Mosko Sergey Sobyanin sy ny lefiny nanangona. Ankoatra izay, nohamafisin'i Pechtnikov fa vokatry ny torolàlana nomen'ny Ministeran'ny toekarena izay nanova ny fitsipiky ny fividianana fanafody ilay fisondrotambidin'ny fanafody. .

Mizotra mankany amin'ny fisintahan'ny fanjakana

Na dia teo aza ny fitarainan'i Makhson sy ny fiarovan'i Khankishiev, dia mety hakatona ihany  ny hopitaly hoy i Semen Galperin, manampahaizana manokana amin'ny fitsaboana ny firafitry ny retsika ( neurologue) izay niasa tao amin'ny Hopitaly No.11, fotodrafitrasa fitsaboana homamiadana tany Maosko izay nakatona tamin'ny 2014. Tamin'ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Sobesednik.ru tamin'ny 19 Janoary, dia nohamafisin'i Galperin fa hampihena be ny rafitry ny fisahanana ny fahasalam-bahoaka sy hamorona tsena malalaka ho an'ny hopitaly lafo vidy tsy miankina ny fanakatonana ny hopitaly No.62, isan'izany ny Foibe Medikaly Eoropeana (EMC), izay tsy lavitra ny Hopitaly No.62.

…62-я онкобольница – прямой конкурент: кто пойдет лечиться за деньги, если есть возможность получить хорошее лечение бесплатно? К тому же я не уверен, что где-нибудь еще найдутся врачи уровня Даниила Львовича Строяковского (химиотерапевт в 62-й онкобольнице. – Ред.). Ситуация очень похожа на ту, какая была с 63-й больницей. Она тоже соседствовала с ЕМЦ, и ее – под видом «оптимизации» – прикрыли в 2012-м. У нас вся реформа здравоохранения идет к одному: к переводу государственного здраво­охранения в частное.

…Mpifaninana mivantana amin'ny EMC ny Hopitaly No.62 : iza no handoa vola amin'ny fitsaboana raha azo atao maimaimpoana ny fikarakarana ? Tsy mino aho fa hahita mpitsabo mahay tahaka an'i Danool Lvovich Stroyakovsky [mpanao ‘chimiothérapie’ tao amin'ny hopitaly Nop.62 ] ianao na aiza na aiza. Mitovy amin'izao no nahazo ny hopitaly No.63. Mbola Hopitaly teo akaikin'ny EMC ihany, ary noho ny anaran'ny fanatsaràna dia nakatona tamin'ny 2012. Mifantoka amina zavatra tokana ny fanavaozana rehetra amin'ny resaka ara-pahasalamantsika : ny fisintahan'ny fanjakana amin'ny fikarakarana ny ara-pahasalamana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.