Atahoran'ireo Ray Aman-dreny Sasany ao Hong Kong Fa Tia Ireo Andriambavin'ny Disney Ireo Zanany Lahy

Sary natambatra avy amin'ny an'ilay mpampiasa Flickr, Amy (CC: AT)

Resaka mahamay foana hatrizay teo amin'ny media sosialin'i Hong Kong ny lohahevitra miresaka ny olan'ireo ray aman-dreny. Vao haingana, nisy lahatsary fohy anà tafatafa an-tsary ahitàna an'i Cantopop diva Miriam Yeung naneho ny zava-niainany tamin'ny maha-ray aman-dreny azy, lasa nalaza be tamin'ny Aterineto ary nahatonga andianà adihevitra maro.

Natao ny taona 2015 ilay tafatafa fa, roa herinandro teo izay, niverina niseho tao amin'ny Aterineto kosa sahala amin'ny lahatsary fohy. Tao amin'ilay lahatsary, nolazalazain'i Yeung ny fomba ny nampitsaharany ny zanany lahy tsy hanitatra fitiavana izay heverina ho fombafomban'ankizivavy loatra, tafiditra amin'izany ny fitiavana an'i Elsa, mpilalao ao anatin'ilay sarimiaina malazan'i Disney “Frozen”:

「有陣時佢鍾意Elsa我鬧到佢死」
「咁佢男仔嚟㗎嘛,攞隻Elsa做乜鬼嘢啫?」
「我將佢張相key落白色(Elsa)度,跟住我個仔即刻話『No, mammy no!』」
「佢好鍾意玩廚房嘢,咁我就好奇怪啦,喂!咁樣會唔會變乸型㗎?」
「我成日驚佢鍾意粉紅色嘢,我就話『NO,Mammy唔鍾意呢啲嘢,唔准睇』」

Bedesiko izy isaky ny milaza ny fitiavany an'i Elsa.
Lehilahy izy, nahoana no milalao kilalao Elsa?
Napetako tamin'ny sarin'i Elsa ny tavany ary tonga ny zanako lahy dia niteny hoe, “Tsia, neny a, tsia.”
Tia milalao ireo kilalaon-dakozia izy, hitako hafahafa izany. Tsy hahalasa azy ho vavivavy toetra ve ny karazana kilalao toy izany?
Matahotra aho hoe hanomboka ho tia ny loko mavokely izy, ka nolazaiko izao izy “Tsia, tsy tia an'io i neny. Aza mijery an'io.”

Nahasarika tsikera ireo teniny ireo, noho ny fomba fitaizàny amin'ny maha ray aman-dreny azy, ary amin'ny filalaovany ireo fitsaratsaram-poana momba ny lehilahy sy vehivavy.

Notsipihan'ny King Jer, fantsombaovao malaza miresaka fialamboly ao amin'ny Facebook, ilay lahatsary fohy ary nanehoany hevitra toy izao:

其實2020年都嚟緊,好難想像社會仲有「女仔先鍾意粉紅色」呢啲咁老土嘅 stereotype,更難想像係楊千嬅身邊不乏同性戀朋友和粉絲[…],居然有呢啲想法……

Manakaiky ny taona 2020, sarotra ny mieritreritra fa ireo ankizivavy ihany no afaka mankafia ny loko mavokely. Tena nilaozan'ny toetrandro tanteraka ny fitsratsram-poana toy izany. Mbola sarotra kokoa ny hieritreretana hoe manana namana LGBT sy mpankafy maro i Miriam Yeung […] Kanefa mbola manana izany fomba fijery izany ihany…

Vondrona LBGT iray, Action Q HK, naneho hevitra tamin'ny Facebook mikasika ilay tafatafa:

鍾意廚房會變乸型,咁謝霆鋒一定好乸
鍾意Elsa會變女仔,咁講千嬅係羞辱過億Elsa支持者

Raha toa ka midika ho fironana haha-lasa vavivavy ny fitiavana mahandro, noho izany tokony tena vavivavy i Nicolas Tse [lehilahy malaza be]. Raha toa ka midika ho fironana haha-lasa ankizivavy ny fitiavana an'i Elsa, noho izany, manompa ireo olona an'arivony tia an'i Elsa i Miriam Yeung.

Nanoratra lahatsoratra fialantsiny tao amin'ny Facebook no niafaràn'i Yeung, ary nanazava fa efa niova ny fomba fisainany tao anatin'izay roa taona lasa izay, hatramin'ny nanaovana ilay tafatafa voalohany:

[…]還是忠於他的選擇,更嘗試投入他的世界,終於因為他喜歡Elsa,認識了所有公主系列,培養了閲讀興趣,因為煮飯仔,他學懂造Brownie,今年吃到他親手做給我的蛋糕。 其實最終不用想太多,路是他們自己走出來的。今天大家在網上的留言是正是負也好,都是一種提醒,陳年訪問,抱歉引起不安。父母這條路,絕對不容易,一輩子,我也學習中,但是快樂的,感恩的,讓我們一起努力,互相打氣

[…] farany dia navelako nisafidy izy ary niezaka ny hahazo ny tontolony aho. Ary satria mankafy an'i Elsa izy, lasa fantany daholo ireo tantara mikasika ireo andriambavy ary lasa tia mamaky boky izy. Satria izy tia mahandro, mianatra ny fomba fahandro ‘brownies’ (mofomamy) izy. Tamin'ity taona ity, nanaovany mofomamy natao tao an-trano aho. Tsy tokony hiasa saina loatra isika. Mahita ireo làlany manokana izy ireo amin'ny farany. Na tsara na ratsy ireo fanehoankevitra, fampahatsiahivana daholo izy rehetra. Miala tsiny raha nahatohina olona maro iny tafatafa efa ela iny. Tsy mora izany lasa ray aman-dreny izany, ezaka mandritra ny andro iainana io ary mbola mianatra ihany aho amin'izao. Traikefa nahafinaritra iny ary feno fankasitrahana aho. Andao hifanome tànana isika dia samy ho tafavoaka miaraka.

Mety nanova ny fihetsiny i Yeung, fa mbola ny fombany fitaizany teo aloha no mbola mibahana amin'izao. Ao amin'ny media sosialy, maro ireo ray aman-dreny mahatsapa fa tsy misy diso mihitsy ny mametra ireo zazalahy tsy hilalao kilalao natao hamidy ho an'ireo zazavavy. Ohatra, ireto misy fanehoan-kevitra sasany avy tamin’ny Facebook Stand News:

為人父母亦好難怪佢,因為踏上呢條同志路,一定受盡歧視可能親戚朋友都遠離你唔會開心,人生道路崎嶇難行

Tsy tokony hanameloka ireo ray aman-dreny isika. Raha lasa pelaka ireo zanakareo, hahilikilika amin'izany izy ireo ary hiala lavitra anao ireo namana sy fianakavianareo. Tsy ho faly ianareo. Lasa sarotra ny fiainana.

父母都有對子女嘅期望,好正常吖,點解要鬧佢地唔應該有嗰個期望呢?

Mazava be raha manana faniriana ho an'ireo zanany ny ray aman-dreny, nahoana isika no mitsikera azy amin'izany?

Stereotype個個家長都有架啦
只不過佢咁啱做左岀黎 俾你地見到啫
我總唔信 個個人都會叫自己小朋友接觸並嘗試每項新事物

Samy manana ny fitsaratsaràm-poana daholo ireo ray aman-dreny rehetra.
Fa i navelan'i Yeung ho hitanareo ny zavatra nataony.
Tsy mino aho hoe handrisika ireo zanany kely hikaroka zava-baovao ireo hafa.

Fanampin'izany, mahazatra ny mahita ray aman-dreny any Hong Kong manahy hoe tena “mahafehy” ny maha-izy azy tsara na tsia ireo zanany kely. Ohatra, ao amin'ny Baby Kingdom, sehatra malaza firesahana fomba fitaizan'ireo ray aman-dreny, afaka mahita ray aman-dreny mitafa resaka toy ny hoe “Ahoana no ahafantarana fa sarimbavy ny zazalahy kely iray?” ianao. Ny ankamaroan'ireo valiny dia mifarana amin'ny fanosorana ireo fomba fihetsiky ny vatana sasany na ny filantolanton'ny feo ho “sarimbavy.”

Na dia malalaka aza ireo ray aman-dreny, mety ho poretin'ireo namana na fianakaviana mitatra kokoa izy mba ho azo antoka tsara fa tena manaraka ireo lamina ifanekena amin'ny maha-lahy na vavy azy ireo zanany. Nisy ray aman-dreny nanoratra izao tao amin'ny Baby Kingdom:

阿囝就快4歲,自小就鐘意玩女仔玩具,例如鐘意Disney princess, Elsa Anna , 曾經都有玩過車之類,但去買襯玩具就會揀公主或女仔d嘅玩具,由始至終我都冇刻意迫佢玩男仔玩具,我覺得玩具唔應該分性別,亦唔應該強迫佢玩d咩玩具,所以每次佢要買d女仔玩具或公仔我都照買俾佢,當然屋企或朋友會有反對,話我會令個囝第時變乸型,會變基佬 -.-

Feno efatra taona ny zanako lahy. Tia milalao kilalaom-bavy izy, toy ireo endrika andriambavin'ny Disney, Elsa sy Anna. Nanandrana nilalao fiara kely ihany izy teo aloha fa isaky ny misafidy kilalao, misafidy ireo andriambavy sy ireo kilalaom-bavy hafa izy. Tsy nanery azy velively aho hilalao ireo kilalaon'ankizilahy mihitsy aho satria heveriko fa tsy tokony ho jerena hoe an'ny lahy na vavy fotsiny ireo kilalao, ary tsy tokony hanery azy hisafidy karazana kilalao manokana isika. Mazava ho azy, tsy hitovy hevitra amin'izany foana ireo fianakaviako sy namako, ary milaza fa ataoko izay hahalasa vavivavy toetra sy sarimbavy ny zanako lahy -.-

Any an-kafa any eto an-tany, miha-miady mafy hatrany ho an'ny fandravana ny fitsaratsaràm-poana amin'ny maha-lahy sy vavy ny zanaka ireo olona. Any Angletera, nanao fanentanana iray ireo mpikatroka mafana fo, nantsoiny hoe “Aleo ny kilalao ho kilalao”, mba hiantsoana ireo orinasa mpamokatra kilalao tsy hametraka ireo famantarana manondro hoe ho an'ny vavy na lahy ilay kilalao eo amin'ireo vokatra avy aminy. Ary ilay fiantsenàna goavana amin'ny Aterineto, Amazon ihany koa, nanàla ny sokajy lahy/vavy teo amin'ny fomba fikarohana ny sokajin-kilalao. Toa mbola mety hanana ny làlana ho aleha i Hong Kong raha mbola te-hanohy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.