Nanangana ny ‘Airbnb ho an'ny Mpankahala Pelaka’ Ireo Developera Rosiana

Sary: Pixabay

Niteraka adihevitra tao Rosia ilay tranonkala antsoina hoe “MyLinker” noho ny tolotra voalaza fa manisa ny isan'ny olona LGBT ao an-tanàna manerana ny firenena mba hanampiana ny olona hiala amin'ny politika manohitra ny fanavakavahana avy amin'ny tambajotra mpampiantrano tahaka ny Airbnb

Nampitandrina ny mpitsidika, ohatra, ny tranonkala fa miisa “173.851 pelaka,” ao Moskoa, “O ry namana! Be loatra izany pelaka izany! Mampidi-doza! ” raha nanome fanampiana amin'ny “fanilihana ny pelaka. “

Lasa lavitra kokoa, nolazaina ireo mpitsidika ny MyLinker fa “nofafan'ny AirBnb sy noesoriny ireo tompona tranonkala rehetra tsy nety nampanofa trano ho an'ny pelaka,” alohan'ny idirana amin'ny sehatra hiadiana varotra: mila misoratra anarana indray ny mpankahala pelaka efa voasoratra anarana ao amin'ny MyLinker, hoy ny tranonkala.

“Angamba ianao tsy te-hampatory ny zanakao amin'ny fandriana izay misy vondrona pelaka milalao eo akaiky,” hoy ny MyLinker.

Pikantsary avy amin'ny locator.mylinker.ru

Hahazo valiny hafa anefa ianao raha hikaroka amin'ny tanàna kely kokoa ao amin'ny tranonkala. Lazaina ho “pelaka vitsy” izao ny ao an-tanànan'i Izhevsk,” na dia mbola asaina aza ireo mpitsidika mba hanoratra ny adiresy mailak'izy ireo ao amin'ny MyLinker mba hahazoana fihenam-bidy amin'ny fampiantranoana ao an-toerana.

Ny fomba mampametra-panontaniana amin'ny “fandrefesana ny pelaka” ataon'ny tranonkala dia miantehitra amin'ny fanarahana ny isan'ny fangatahana sary vetaveta antserasera ao an-tanàna mitaha amin'ny isan'ny karoka an'aterineto ny sary vetavetan'ny pelaka, ary avy eo mampihatra ny  taham-pikisahana amin'ny totalin'ny isan'ny mponina ao an-tanàna sy “manisa” ny isan'ny LGBT.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny gazety mpifosafosa Life tamin'ny Talata, nilaza ny solontenan'ny MyLinker fa setrin'ny fihetsika manoloana ny politika manohitra-fanavakavahana tahaka ny fandraràn'ny Airbnb tsy mety manofa ho an'ny mpikambana ao amin'ny fiaraha-monina LGBT ny tolotra.” Tsara ny fandavàna ny olona pelaka, raha miresaka fahalalahan-tsafidy isika,” hoy i Rodion Kadyrov tamin'ny Life..

Tsy niombon-kevitra ny vehivavy iray antsoina hoe Maria Andreeva, ary efa nanatontosa fanangonan-tsonia sahady tao amin'ny Change.org mba handràra ny MyLinker ho mpanavakavaka, nilaza ihany koa izy fa angamba ihany koa tsy marina loatra “ny fandrefesana ny vondron'olona pelaka” ao amin'ny tranonkala”. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, olona 650 monja no mbola nanasonia ny fanangonan-tsonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.