Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2016
Nahazo Fandrahonana Ho Faty Ilay Mpanao Lalàna Ao Hong Kong Efatra Andro Monja Taorian'ny Nahavoafidy Azy
Manameloka ny fanenjehana an'i Chu ireo fikambanana tsy miankina ary nandrisika ny polisy mba hampitsahatra ny herisetra ara-politika izay mandrahona ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahalalahana miteny.
Notazonin'ny Fitsarana Alzeriana Ny Fiampangana Ilay Mpikatroka Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Ny Islamo Tao Amin'ny Facebook

Na dia nahena roa taona aza ny saziny an-tranomaizina, mbola higadra noho ny fanehoany ny heviny foana i Bouhafs .
Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao

Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.
Tezitra Noho Ny Sivana Mihatra Amin'ny Fampiharana Finday, Manontany Ny Saodiana: ‘Inona Fotsiny No Antony Hananana Aterineto?’

Efa nahatezitra ny mpiserasera ny fanapahan'i Arabia Saodita ny WhatsApp, Viber sy Skype kanefa mbola notapahana indray izao ny fampiharana fandefasan-kafatra an-tsoratra sy feo, LINE.
Tsy Nanaiky Ny Famotsorana Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona Nabeel Rajab Ny Fitsarana Bahrainita , Nahemotra Ny Didim-pitsarana

Miatrika 15 taona an-tranomaizina i Rajab noho ny sioka momba ny ady tarihin'i Arabia Saodita ao Yemen sy noho ny filazana ny fampijaliana ao amin'ny fonja Bahrainita.
Netizen Report: Miaraka Amin'ny Fanakatonana Ny Aterineton'i Gabon, Miatrika Fanambin'ny Fihodidinana Sivana Indray Ireo Mpikatroka

Lasa lohatenim-baovao amin'ny raharaha fanalàm-baràka amin'ny Facebook i Bhoutan, mampiasa ny sivana i Paragoay mba hiarovana ireo ankizy amin'ny Aterineto, ary miditra amin'ny fifampiraharahàna miaraka amin'ny orinasa fifandraisandavitra Frantsay Orange i Iràna.
Manontany Ny Indiana: Tena Heloka Tokoa Ve Ny Fitsidihana Ny Habaka Torrent?

"Nandràra ireo habaka torrent mielipatrana isan-karazany nandritra ny fotoana maharitra i India - vaovao taloha izany. Saingy eo ambanin'ny politika federaly vaovao ao India, azo gadraina mandritra ny telo taona sy mandoa onitra 300.000 Ropia indiana (~ 4464 dolara Amerikana) ny olona izay tratra mampiakatra votoaty ao amin'ireo tranonkala nakatona."
Voaroaka Noho Ny Fiaraha-miasa Tamin'ny Fampitam-baovao Tsy Miankina Ilay Kiobàna Mpanao Gazety Sady Mpikatroka LGBT

"Tsy misy olana izay toerana hamoahanao lahatsoratra, na dia ao amin'ny bilaoginao fotsiny aza. Hovakianay foana izay soratanao "
Ny Hetsipanoherana Politikan'ny “Samihafa Nefa Mitovy” Ao Sri Lanka
Nasongadin'ilay fiaretantory fa ny tsy fandriampahalemana tsapan'ireo Bodista Sinhala sasany dia mbola mitohy misisika foana, na eo aza ny zavamisy hoe izy ireo no mbola mijanona ho mponina maro indrindra ao amin'ny firenena
Maoritania: Mpitoraka Bilaogy iray Voaheloka Ho Faty Noho Ny Fanakianana Ny Fankavakavahan-tsaranga Manjo ireo Manefy
"Vita avy amina fahoriana sy tsy fahamarinana ny tantara maoritanianina, fa vita avy amina fanoherana sy fahamendrehana azo alain-tahaka ihany koa izy'''