Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Novambra, 2015
Hahazo Fahefana Ivelan'ny Lalàna Hanakatona Habaka Ny Mpanara-maso Ny Aterineto Ao Rosia
Afaka manakatona tranonkala ho an'ny mpiserasera Rosiana tsy misy didy avy amin'ny fitsarana ny Roscomnadzor, saingy mbola azon'ireo mpiserasera ivelan'i Rosia jerena izany—miitatra ny fahefan'ny Roscomnadzor.
Manavao Ny Famoretana Ny Fombafomba Ara-Pivavahana Indray Ny Governemanta Any Bahrain
Nifandona tao Bahrain androany ny mpitandro ny filaminana sy ny tanora, rehefa nanafika tanàna ny polisy, ka nanàla an-keriny ny sorabaventy napetraka teny amin'ny lalana ho fankalazàna ny Ashura. Maro ny olona naratran'ny bala firaka natifitra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Netizen Report (Tatitry Ny Mpisera Anaty Aterineto): Mitady Vaha-olana Amin'ny Fitsipiky Ny Angon-kevitra Ao Amin'ny Vondrona Eoropeana Ny Kaompanian'ny Teknolojia Amerikana Aty Aorian'ny Tontolon'i Snowden
Mamoaka ny lisitra maintin'ny Aterineto amin'ny fomba fanao Rosiana i Okraina, navotsotr'i Kiobà ilay mpanakanto-bilaogera "El Sexto" rehefa notànana 10 volana an-tranomaizina, ary nogadrain'i Bahrain noho ny fanompàna ny mpanjaka i Zainab Al-Khawaja.
Mpanao Sariitatra ao Myanmar Manakaiky Ny Vahoaka
"Maro no milaza fa ireo mpanao sariitatra na ireo mpanao gazety dia tsy tokony hitanila, fa tsy maintsy ho tsy miandany. Diso izany. Tsy maintsy manana fitongilanana izy ireo. Tsy maintsy. Amin'ny hoe fitongilanana, tsy hoe fitsarana an-tendrony no lazaiko."
Netizen Report: Lalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Meksikana Tsy Izy
Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Mihabetsaka ny isan'ny hetsi-panoherana ao Rosia, hoy ny navoakan'ny fanadihadiana
Nisy fitomboana 15 isanjato ny hamaroan'ny fihetsiketseham-panoherana rehetra tao Rosia voarakitry ny manampahaizana raha oharina tamin'ny enimbolana voalohany 2014.
Mpiandry Raharaha Ao Amin'ny Firenena Shinoa Mandrisika Ny Olona Hitoroka Ireo Ahiahiana Ho Mpitsikilo
Petrakevitr'ireo mpisera ety anaty aterineto ny hoe natao hamafy saritaka eny anivon'ny Shinoa ilay fiandrasana raharaha. " Savaranonando ho amin'ny Revolisiona ara-Kolontsaina ve", hoy ny iray mpampiasa Weibo.