Mpanao Sariitatra ao Myanmar Manakaiky Ny Vahoaka

Cartoonists Maung Maung Aung and Win Aung discuss the Burmese cartoon tradition with Irrawaddy editor Aye Chan Myae

Mifanakalo hevitra mikasika ny sariitatra nentin-drazana Birmana, miaraka amin'i Aye Chan Myae tonian-dahatsoratry ny Irrawaddy ny mpanao sariitatra, Maung Maung Aung sy Win Aung.

Ity lahatsoratra navoaka ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, tranonkala firay ampahalalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty. Nanontanian'ny tonian-dahatsoratry ny Irrawaddy, Aye Chan Myae, mikasika ny fifandraisana misy eo amin'ireo sariitatra sy ny asa fanaovana gazety ireo mpanao sariitatra, Maung Maung Aung sy Win Aung.

Aye Chan Myae: Manamarika ny faha zato-taonan'ny nampidirana ny sariitatra tao Myanmar ity taona ity. Nandalo karazana andrana maro ireo mpanao sariitatra tamin'izany fotoana izany. U Win Aung (ny U dia fomba iray hilazana fanajàna atolotra ireo lehilahy manana toerana na laharana ambony any Myanmar), ahoana no fijerinao ny zavatra iainan'ireo mpanao sariitatra ny endrika ara-politika, sosialy ary ara-toe-karena tao anatin'ny 100 taona?

Win Aung:Tsy mbola nahita ireo sariitatra Birmana ho nanana tantara malefaka aho taorian'io fe-potoana faramparany io. Manana tantara tsara nihaviany ireo sariitatra Birmana. Nanomboka ny asa sariitatra nataony i Sayagyi Shwetalay nandritry ny tolona ho an'ny fahaleovantena. Na dia mbola tao anatin'ny fitondrana fanjanahantany aza i Burma tamin'izany, nahitàna kely ny fahafahana maneho hevitra ihany. Avy eo niverina nahazo ny fahaleovantenany i Burma, ary nandritra ny vanim-potoanan'ny Ligin'ny Fahalalaham-Bahoaka Manohitra ny Fasista, nisy ihany koa fahafahana maneho hevitra. Ny ohatra tena mahavariana indrindra dia ireo sariitatr'i Saya U Ba Gyan, ary ny raha mijery azy ireo, azon'ny olona fantarina (fa nisy fahafahana maneho hevitra tao). Avy eo nisy ny fitondrana tetezamita, ny Filankevitra Revolisionera, ary farany ny jadon'ny antoko tokana teo ambany fitondran'ny Burma Socialist Program Party (BSPP). Avy eo, nihena tsikelikely ny lanjan'ny fahalalahana naneho hevitra tamin'ny sariitatra. Vitsy ireo zavatra azon'ny mpanao sariitatra arafitra mba ho tantara an-tsary.

Aye Chan Myae: U Maung, afaka lazainao ahy ve ny mikasika ny fiaimpiainan'ireo mpanao sariitatra sy ny fahafahana maneho hevitra amin'izao fotoana izao?

Maung Maung Aung: Efa ho 45 taona izao no nanoratako ireo sariitatra. Nandritra io 45 taona io, nanakaiky ny vahoaka ireo mpanao sariitatra, nitarafana ny toekarena, sosialy ary ireo toe-draharaha ara-politikan'ny firenena. Ankehitriny, tahaka ny mahazo fahalalahana bebe kokoa izahay taorinan'ireo taonan'ny fameperana. Vokatr'izany, maro ireo olona no nanao sariitatra. Misy karazany roa ny mpanao sariitatra. Ny voalohany dia ireo mpanao sariitatra maka ny endrika kanto ho toy ny fiainany ary ny faharoa kosa dia ireo mpanao sariitatra manararaotra ny zava-misy. Nisy ny fiantraikany tamin'ireo izay nanohy nirona tamin'ny zavakanton'ny sariitatra narahana finoana lalina. Misy ny fitsipi-pitondrantena tsy an-tsoratra fa arahina eo amin'ireo mpanao sariitatra, araka izay notovozinay tamin'ireo zokiolona. Taloha, nisy ireo zavatra noraràna sahala amin'ny fanesoana ny mahantra sy ny kilemaina ary ny fanafihana olona manokana. Manan-danja kokoa (ny tsy fanaovana zavatra tahka izany) ao anatin'ity vanimpotoanan'ny demokrasia ity. Ho an'ny mpanakanto iray, ny demokrasia dia toy ny sabatra roa lela. Raha azo ampiasaina hanindronana ireo hafa izy, mety handratra ilay mpanakanto ihany koa. Noho izany, tsy marina fa hoe afaka manao sary araka izay tiany ireo mpanao sariitatra. Tsy maintsy tompon'andraikitra amin'ny asany izy ireo rehefa nivelatra nandritra ny fotoana fohy ny lalànan'ny demokrasia.

Aye Chan Myae: Ahoana ny eritreritrao mikasika ireo etika ho an'ireo mpanao sariitatra ry U Win Aung?

Win Aung: Indrindra indrindra, izay tena manan-danja ho an'ny mpanao sariitatra dia ny finoany. Tsy maintsy iantohan'ireo mpanao sariitatra hoe maneho taratra ny fiainan'ny vahoaka ireo zavatra noforoniny. Maro no milaza fa ireo mpanao sariitatra na ireo mpanao gazety dia tsy tokony hitanila, fa tsy maintsy ho tsy miandany. Diso izany. Tsy maintsy manana fitongilanana izy ireo. Tsy maintsy. Amin'ny hoe fitongilanana, tsy hoe fitsarana an-tendrony no lazaiko. Rehefa marina ny lafiny iray ary ny iray kosa diso, iza amin'ireo lafiny ireo no hijoroany? Amin'ireo izay mampijaly sy izay nampijaliana, lafiny aiza amin'ireo no ijoroany? Tsy maintsy misafidy toerana iray izy ireo. Raha misafidy tsangan-kevitra iray matotra ny mpanao sariitatra sady manao sariitatra avy amin'io tsangan-kevitra io, tsy maintsy mieritreritra ny etika. Ohatra, raha toa ka ratsy ny rafitra politika, afaka manao sarin-javatra mikasika iireo izay namorona io rafitra io izahay, saingy tsy tokony haneho an-tsary ireo tantaram-piainana manokan'ny olona namorna ilay rafitra izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.