Misy korontana indray ny arabe ao Bahrain, satria ny governemanta nanao famoretana ny mpanao fihetsiketsehana, tezitra tamin'ny bala firaka sy ny entona mandatsa-dranomaso androany (20 Oktobra). Nanomboka izany rehetra izany rehefa tonga tao amin'ny tanànan'i Malkiya, ao andrefan'i Manama, ny mpitandro filaminana, mba hanala ny saina mainty sy ny sorabaventy izay natsangana mba hanamarihana ny fahatsiarovana ny maritioran'i Imam Hussein, ilay tompon-dakan'ny rariny teo amin'ny tantaran'ny silamo.
Nandeha tamin'ny tanàna teo akaiky teo, Sadad sy Karzakan, avy eo ny mpitandro filaminana, avy eo tao Sanabis, mba handrava ireo saina sy sorabaventy natsangana tany amin'ny tanàna manerana an'i Bahrain sy ny faritra Souk tranainy tao Manama renivohitra mba hanamarihana ny Ashura, izay tonga amin'ny faratampony rehefa volana faha-10-n'ny Muharram Arabo. Ao Bahrain sy ny firenena hafa izay be mponina Shiita, mitohy mandritra ny roa volana ny vanim-potoana fisaonana. Mandritra izany fotoana izany, ny sorabaventy mainty sy takelaka misy ny tenin'i Imam Hussain no mandravaka ny rindrina sy ny moron'ny arabe, indrindra fa any amin'ny faritra izay andalovan'ny filaharana manamarika izany fotoana izany
Tamin'ny 2011, tamin'ny fiandohan'ireo hetsi-panoherana niendrika Lohataona Arabo niparitaka be izay nandetika ny firenena, nanapotika maoske Shiita 38 ny manampahefana, izay heverin'ny maro ho toy ny fanafihana mivantana ny fahalalahan'ny Shiita ao amin'ny firenena mba hanatanteraka ny fombam-pivavahany sy ny fombafombany.
Nandefa bitsika mikasika ny fifandonana androany ho an'ireo 45.000 mpanjohy azy ilay mpanoratra an-gazety, Kassim Hussains:
مصادمات في المالكية وكرزكان غرب البحرين والسنابس غرب المنامة بسبب نزع لافتات تتعلق بعاشوراء #البحرين #عاشوراء pic.twitter.com/XYskzxp4um
— قاسم حسين (@kassimhussain1) October 20, 2015
Fifandonana tany Malkiya sy Karzakan, any andrefan'i Bahrain, sy Sanabis, any andrefan'ny [renivohitra] Manama, rehefa manala ny sorabaventin'ny Ashoura ny mpitandro filaminana
Nisy sary sy lahatsary nivezivezy tao amin'ny media sosialy nampiseho ny naratra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay niezaka ny nanakana ny mpitandro filaminana mba tsy hanala ny sorabaventy. Nandefa bitsika mikasika ny sarin'ny ratra androany any amin'ireo 29.600 mpanara-dia azy i Reema Al:
اصابات برصاص الشوزن وقمع مفرط بالغازات الخانقة لمجرد رفض الأهالي إزالة مظاهر عاشوراء #المالكية #bahrain pic.twitter.com/L68hqgbvow
— ريما شعلان (@reemashallan) October 20, 2015
Ratra vokatry ny bala firaka sy famoretana tafahoatra tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso manempotra, satria tsy nanaiky fotsiny ny fanesorana ny sorabaventin'ny Ashura tao Malkiya ny olona
Nifindra haingana tany amin'ny tanàna teo akaiky teo, Karzakan, ny fifanjevona, rehefa nivoaka ny tanora maromaro mba hanakana ny mpitandro filaminana tsy hanàla ny sorabaventy. Manazava i Hussain Radhi:
قوات الشغب تقمع الأهالي في كرزكان الان بعد اعتراضهم على ازالة مظاهر عاشوراء #bahrain pic.twitter.com/Dq0pB2Biqy
— Hussain Radhi (@Huss3inRadhi) October 20, 2015
Mamoritra ny olona ankehitriny ny mpitandro filaminana mpandrava korontana tao Karzakan, rehefa tsy nanaiky ny fanesorana ny sorabaventin'ny Ashura izy ireo
Ny hafa kosa naneho ny hatezerany mivantana tao amin'ny Twitter. Naneho hevitra i Hassan Alsharqi:
أوقفوا هذه المهزلة وهذا التعدي على شعائر الحسين ،الذي حدث في #المالكية و #كرزكان لايمكن لأحد أن يتصور أن هذه هي #البحرين ، وكأنها عراق صدّام
— حسن الشارقي (@Hassan_Alsharqi) October 20, 2015
Atsaharo izany sangy ratsy izany sy ny fanafihana ny fombam-pivavahan'i [Imam] Hussein. Izay nanjo an'i Malkiya sy Karzakan, tsy nisy olona afaka nieritreritra hoe i Bahrain io, toy ny Iràka an'i Saddam izao.
Enas Oun, mpikambana ao amin'ny Foibe misahana ny Zon'olombelona ao Bahrain, nizara sary am-polony maro mikasika grenady mandatsa-dranomaso izay nolazainy fa natifitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana tao Karzakan androany:
صور توضح كمية طلقات الغاز السام وطلقات الشوزن المستخدمة لقمع من خرج معترضا على نزع السواد في #كرزكان اليوم #bahrain pic.twitter.com/w82L5ByHdZ
— Enas oun (@glorybahrain) October 20, 2015
Sary mampiseho ny habetsahan'ny entona manapoizina sy grenady bala firaka nampiasaina mba hamoretana ireo izay nidina an-dalambe ho fanoherana ny fanesorana ny sorabaventy mainty
Voarakitra anaty lahatsary ireo mpitandro filaminana teo am-panesorana ny sorabaventy sy saina tany amin'ny faritra hafa manodidina an'i Bahrain nandritry ny andro vitsivitsy lasa.
#Bahrain regime forces remove Ashura banners in A'ali area today #ReligiousFreedom pic.twitter.com/SsjAyDmxXf
— AlwefaqEN (@AlWefaqEN) October 19, 2015
Manala sorabaventin'ny Ashura ao amin'ny faritra A'ali androany ny miaramilan'ny fitondrana ao #Bahrain
Tonga teny antampon'ny fandaharam-potoana tao #Bahrain ity lahatsary ity raha naneho hevitra tamin'ny vaovao ny mpiserasera amin'ny aterineto.
#Bahrain regime forces remove manifestations that are usually put up in Ashura annual anniversary #ReligiousFreedom pic.twitter.com/Gm60EZ7T0k
— AlwefaqEN (@AlWefaqEN) October 17, 2015
Mandrava ny fihetsiketsehana izay mitranga matetika amin'ny tsingerintaonan'ny Ashura atao isan-taona ny miaramilan'ny fitondrana ao #Bahrain
Marihan'ny Shiita any Bahrain isan-taona ny hetsika ara-pivavahan'ny Ashura. Fa satria ny krizy ara-politika mbola mitohy eo amin'ny governemanta sy ny vahoaka, indrindra ny vondrom-piarahamonina Shiita, tena azo inoana fa hanamafy ny olana ny fampitahorana.
2- أولاً : طقوس وشعائر #عاشوراء هي إرثٌ ديني وتاريخي للشيعة في #البحرين منذ مئات السنين، وقد كفلها الدستور في المادة 22 #إلا_شعائر_الحسين
— حسن الشارقي (@Hassan_Alsharqi) October 20, 2015
Lova ara-pivavahana sy ara-tantara ho an'ny Shiita ao Bahrain ny fombafomban'ny Ashura izay efa nisy an-jatony taona, ary miantoka izany ny lalàmpanorenana ao amin'ny andininy faha-22
Hoy i Jawad Fairooz, mpikambana taloha tao amin'ny parlemanta izay efa tsy manana zom-pirenena ankehitriny ary any an-tsesitany:
Ny tantara maoderin'i Bahrain tsy nahita ady tamin'ny fihetsiketsehana atao amin'ny Ashura ohatry ny hita amin'izao fotoana izao.
لم تحارب مظاهر الشعائر الحسينية في #البحرين عبر تاريخها المعاصر كما تحارب اليوم pic.twitter.com/TNEWUtioDl
— Jawad Fairooz (@JawadFairooz) October 20, 2015
Bahrain dia nosy kely ao amin'ny Gaolfa izay ny Shiita no maro an'isa, nefa, mitaraina mikasika ny fanavakavahana ara-politika sy ara-tsosialy izy ireo. Nivadika any amin'ny kizo politika izy nandritra ny efatra taona sy tapany farany. Tsy nahitana vokatra tsara ny fifampidinihana teo amin'ny governemanta sy ny vondrona mpanohitra. Amin'izao fotoana izao, any am-ponja ny ankamaroan'ireo mpitarika sy olom-baventy avy amin'ny mpanohitra.
Azonao atao koa ny mamaky: Ny mpanohitra any Bahrain, Miala Ny LAtabatry ny Fifampidinihana dia any amin'ny Efitry ny Fonja (amin'ny teny Anglisy)
Notaterina ihany koa fa notafihan'ny olona mitam-piadiana ny toerana sy maoske ara-pivavahana Shiita rehefa nanakaiky ny fahatsiarovana fanao isan-taona ny Ashura. Notsikerin’ ireo mpikatroka mafana fo ny governemanta noho ny tsy fandraisana ho zava-dehibe ny fanafihana.
Naneho hevitra ny Shaikh Maytham Al Salman, mpitarika fivavahana :
هل توجد جدية في محاسبة من هدم ٣٨ مسجدًا وغزا محلات جواد ٧٨ مرة وأطلق النار على مسجدي الصادق والباقر ومأتمي الهملة ودمستان أول أمس؟ #البحرين
— ميثم السلمان (@MaythamAlsalman) October 18, 2015
Mba misy fitànana matotra ireo izay nandrava moske 38, nandroba fivarotana Jawad* in-78, nitifitra tao amin'ny maoske Al Sadiq sy Al Baqer ary ny matams** tao Hamala sy Dimistan ho tomponandraikitra ve?