Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Desambra, 2014
Manapa-kevitra ny Hanakatona ny Vohikala Mpampita Vaovao “House News”, Mpiaro Ny Demôkrasia any Hong Kong, Ilay Mpamorona Azy Voahorohoro
Manao fandinihana ny olona sasany ka milaza fa tafiditra anatin'ny faneriterena lavitra ataon'i Pékin amin'ny fanaovan-gazety ao Hong Kong ny famoretana ilay vohikala hikatona.
Fahalalahana Miteny: Lasibatra Laharam-pahamehana Amin'ny Ady Ataon'i Erdogan Amin'ny ‘Fanjakàna Anjorony’
Ao Tiorkia, olona 31 -- mpanao gazety sy manamboninahitry ny polisy -- samy nampangaina ho mitarika sy mamatsy ary mpikambana anaty fikambanana mpampihorohoro mitam-piadiana avokoa
Serbia: Ampiakarin'ny Manam-pahefana Fitsaràna Ny Mpikatroka Mafana Fo Iray Mitaky ny Ronono Ara-pahasalamàna
Nihanitombo ny antso ataon'ireo manam-pahefana Serba amin'ireo mpikatroka mafana fo anaty Aterineto mba hohadihadiana. Ankehitriny, voaantso hiatrika fitsaràna ilay mpikatroka mafana fo Marko Živkovic noho ny fitarainany imasom-bahoaka momba ny fehezan-dalàna momba ny ronono, 20 volana lasa izay.
Meksikana Mpanao Fihetsiketsehana Nanapaka ny Lanonam-Panomezana ny Loka Nobel. Ahoana Hoy ny Reniny?
Araka ny rahalahiny, nanantena i Cortés ny hisarika ny saina amin'ny fanjavonana sy ny filazana fa famonoana faobe nahazo ny mpianatra miisa 42 ao Ayotzinapa ao Meksika.
Taorian'ny Ady Mitam-piadiana Tao Grozny, Iharam-Panafihana Ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ao Chechnya
Iray amin'ireo fikambanana tsy miankina mpiaro zon'olombelona sisa tavela ao amin'ny Repoblika Chechen ilay Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana. Raha toa voatery ilay fikambanana hiala an'i Chechen, ho sarotra be ny fihitaran'ny fahavoazana ho an'ny mponina ao an-toerana.
Midika Inona Ho An'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ilay Didim-panjakàna Momba Ny Tsiambaratelo Ao Japana?
Tamin'ny Alarobia 10 Desambra, nivadika ho lalàna ilay Didim-panjakàna momba ny tsiambaratelo niteraka resabe tao Japana. Mampitombo ny sazy noho ny heloka bevava ho an'ireo mpamoaka an-tsokosoko ny "tsiambaratelom-panjakana" ilay Didim-pitondrana.
“Minisitra Vaovao Ao Okraina Hisahana Ny Fahamarinana” Nalàm-baraka Tao Amin'ny Tambajotra Sosialy
Nampivanàka ireo Okrainiana rehetra mihitsy ny namoronana teo anivon'ny governemanta Okrainiana ny Ministera iray vaovao hisahana ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao, nahatonga ny sasany hametaka anarana azy ho "Ministeran'ny Fahamarinana."
“Hanohy Izahay” Hoy Ny Valin-kafatr'ireo Vehivavy Mazaya – Syria Ho Setrin'ny Fandoroana
“Ny Fampahatsiarovan-tena ny vehivavy. izay fanalahidin'ny fanorenana fiarahamonina ao Syria dia manohintohina ny tanjon'ireny vondrona mpanao an-tendrony ireny,”