Meksikana Mpanao Fihetsiketsehana Nanapaka ny Lanonam-Panomezana ny Loka Nobel. Ahoana Hoy ny Reniny?

Mexican student Adan Cortes jumped onstage when the Pakistani teenager Malala Yousafzai was collecting her Nobel peace prize. Screenshot from YouTube Video.

Meksikana mpianatra Adan Cortes nitsambikina teo amin'ny sehatra nandritra ny fotoana nandraisan'ilay tanora Pakistaney Malala Yousafzai ny loka Nobel fandriampahalemana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube.

Ny renin'ilay Meksikana mpanao fihetsiketsehana izay nanapaka ny Lanonam-panomezana ny Loka Nobel Fandriampahalemana nandrakitra lahatsary iray sady niteny fa tsy fantany ny antsipirihan'ny fomban-dalàna ananan'ny zananilahy any Oslo, ary niteny mafy ireo mitady hanaratsy haingana ny zavatra nataon'io zanany io.

Adán Cortés, a mpianatra siansa politika 21 taona ao amin'ny Oniversite Mizakatenan'i Meksika, nanapaka ny kabarim-panekena ny loka Nobel Fandriampahaleman'i Malala Yousafzai. Nihazakazaka nankeny amin'i sehatra i Cortés, nitondra sainam-pirenena Meksikana, ary niezaka niteny hoe , “Miangavy, Malala. Meksika!” nialoha ny nisamboran'ny polisy azy sy namindra azy hivoaka ny trano lehibe.

Namoaka antso hoan'ny daholobe nataon'ny reniny tao amin'ny Facebook ny rahalahin'ilay lehilahy, ka nanoratra hoe, “Indro ny lahatsarin'ny reniko te-hizara ny momba ny rahalahiko Adàn Cortés. Miangavy aelezo. Mankasitraka.” Araka ny rahalahiny, nanantena i Cortés ny hisarika ny saina amin'ny fanjavonana sy ny filazana fa famonoana faobe nahazo ny mpianatra miisa 42 ao Ayotzinapa ao Meksika.

John Fredriksen, mpitondratenin'ny Departemantan'ny Polisin'i Oslo, niteny tamin'ny mpanangom-baovao fa “liana amin'ny toe-draharaha ara-politika ao Meksika i Adán ary nangataka fialokalofana ara-politika“, saingy efanohamafisina fa efa nolavina talohan'ny tranga nandritra ny Nobel ny fangatahana ary horoahina izy.

Noampangain'ny renin'i Cortés ilay Meksikana mpanao gazety Joaquín López Dóriga tamin'ny famoahana sarin'ilay tanora izay nalaina tao amin'ny pejy media sosialin'ny zananilahy izay nokendrena hoharatsiana manoloana ny vahoaka.  

17 taona monja i Malala Yousafzai (ilay vehivavy notapahin'i Cortés ny kabariny) izay nahazo ny loka Nobel Fandriampahalemana tanora indrindra. Nahazo ny lokan'ny Fandriampahalemana tamin'ity taona ity niaraka tamin'ilay Indiana mpisolovavan'ny zon'ny ankizy Kailash Satyarthi izy tamin'ity taona ity.

Ny rahalahin'i Cortés no manavao ny kaonty Facebook-n'ny rahalahiny milaza ny vaovao farany momba azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.