Taorian'ny Ady Mitam-piadiana Tao Grozny, Iharam-Panafihana Ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ao Chechnya

"Committee Against Torture" activists poses with an Amnesty International banner. June 27, 2014. Bashkortostan, Russia. Pytkam.net.

Mpikatroka mafàna fo avy amin'ny “Kaomity Manohitra ny Fampijaliana”, maka sary miaraka amin'ilay sariben'ny  Amnesty International. 27 Jona 2014. Bashkortostan, Rosia. Pytkam.net.

Taorian'ilay fanafihana mitam-piadiana tamin'ny 4 Desambra tao Grozny, nisy lehilahy niafin'endrika namaly bontana tamin'ny fandoroana ny tranon'ny fianakavian'ireo mpikatroka mafàna fo, raha ny fahitàna azy dia nanatanteraka ny fandrahonana nataon'i Ramzan Kadyrov lehiben'ny governemanta Chechen. 

Mpisolovava ary mpikambana ao amin'ny Joint Mobile Group – Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana – i Sergei Babinets, vondrona iray izay zana-tsampan'ny Kaomity Manohitra ny Fampijaliana ao Grozny, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary manana ny biraony ao Nizhnii Novgorod. Taorian'ny fandoroana niniana natao io, dia nalefan'ny Babinets tety anaty aterineto ny sasantsasany tamin'ireo saripika maneho ny faharavàn'ireo trano, hanomezana porofo fa tena navitrika tamin'ny fanohizana ny politika arahany mihitsy i Kadyrov tamin'ny nanafaizany ny fianakavian'ireo mpikatroka mafàna noahiahiany.

Tao anatin'ny andro folo latsaka monja, nodorany ny biraon'ny Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana, izay sady nampiasaina no foiben-toerana no toeram-ponenana ho an'ny Babinets sy ireo mpiara-miasa aminy. 

Tany amin'ny 4 Desambra, fony mbola nihaza ny hany sisa tavela tamin'ireo mpikatroka mafàna fo ireo mpitandro filaminana Chechen tao Grozny, naminavina tao amin'ny Facebook i Elena Milashina, mpanao gazetin'ny Novaya Gazeta, fa mety ho ratsy ho an'ny olontsotra ny dingana faharoa amin'ny ady atao amin'ny asa fampihorohoroana – valifatin'ny manampahefana. Nomarihan'i Milashina fa ireo mpikatroka mafàna fo, etsy andaniny, dia mitandrina fatratra mba tsy hisian'ny fahavoazana ho an'ny olontsotra : 

Это не случайно. Они не добрые люди. Но они – отличные стратеги. Они прекрасно знают, какая обратка последует от Кадырова… Кадыров прикажет мстить родственникам боевиков. И дальним, и ближним. Непропорционально жестоко. Тем самым вызывая в республике уже даже не страх, потому что бояться еще больше невозможно. Предел достигнут. Именно поэтому сегодняшние погибшие боевики будут восприниматься как герои… Потому что простые люди И ТАК под огнем в Чечне. 

Tsy fifanandrifian-javatra fotsiny io. Tsy olona tsara fanahy [ ireo mpikatroka mafàna fo]. Kanefa kosa dia olona manampahaizana amin'ny tetikady. Fantatr'izy ireo tsara ny ho valinkafatra hataon'i Kadyrov… Any amin'ny fianakavian'ireo mpikatroka mafàna fo no hamaly faty i Kadyrov, lavitra na akaiky, amin'ny endriny feno habibiana tsy mifandanja. [Saingy] tamin'ny fanaovany izany, tsy afaka naneho tahotra akory izy, satria tsy azony atao ny hatahotra bebe kokoa. Tratra ny fetra. Io no antony mahatonga ireo mpikatroka mafàna fo maty tany Grozny noraisina ho toy ny maherifo… satria ny olon-drehetra no EFA iharam-panafihana ao Chechnya. 

Ny hetsika faharoa hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana dia natao araka ny efa nampoizin'ny vinavinan'i Milashina. Andian-dehilahy tsy fantatra, azo eritreretina ho hery manokana Chechen, no tsy ela fa tonga tany an-tranon'ny fianakavian'ireo mpikatroka mafàna fo noahiahiana tao Gudermes, Yandy, ary tanàna hafa. Mpanome vaovao ao Kotar-Yurt any amin'ny distrikan'i Achkhoi-Martan no namariparitra ilay hetsika tao amin'ny tranonkala Kavkaz Uzel

Они окружили дом, принадлежащий семье Бютукаевых, разбили там окна и двери, а затем подожгли. Несмотря на то, что огонь грозил перекинуться на другие дома, тушить огонь не разрешали. Людей отгоняли криками и угрозами.

Nohodidinin-dry zareo ireo trano tao Byutukaevs, novakiana ny varavarankely sy ny varavarana, ary avy eo narehiny ny afo. Na teo aza ny tahotra ny mety hitaran'ny afo tamin'ireo trano hafa manodidina, tsy navelan-dry zareo hanakana izany izahay. Noroahan-dry zareo tamin'ny trerona sy fandrahonana hiala teo ny olona.

Hatreto, trano folo no nirehitra.  Nomelohan'ny Amnesty International ilay fandoroana niniana natao. Lazain'i talen'ny Human Rights Watch (Fanarahamaso Ny Zon'olombelona) ao Rosia, Tatyana Lokshina, fa izao fihetsika izao dia “mifanohitra amin'ny voalazan'ny lalam-panorenana Rosiana, ny lalàna Rosiana, [ary] ny fanekena iraisampirenena nataon'i Rosia”

Tanaty ezaka tsy fahita firy mba hitànana ireo manampahefana Chechen ho nanitsakitsaka ny lalàna, Igor Kalyapin, lehiben'ny Kaomity Manohitra ny Fampijaliana, dia niantso an'i Yury Chaika, lehiben'ny fampanoavana, sy Alexander Bastrykin, mpanadihady ambony ao Rosia, mba handinika araka ny lalàna ny fanomezan-toky nataon'i Kadyrov hamotika ny tranon'ny havan'ireo mpikatroka mafàna fo. Tato anatin'ny dimy taona, ity no voalohany indrindra nisian'izany hoe mpikatroka mafàna fo, olon-tsotra, nanakiana ampahibemaso an'i Kadyrov izany, hatramin'ny namonoana ilay mpiasa amin'ny fiarovana ny zon'olombelona , Natalia Estemirova tamin'ny 2009.

Ny tohin'ny afo izay nandrava ny biraon'ny Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana tao Grozny. 14 Desambra 2014. Sary an'i Sergei Babinets.

Saika teo no ho eo ny valintenin'i Kadyrov ho an'i Kalyapin. Tamin'ny 10 Desambra, raha nanoratra tao amin'ny Instagram, nanontany tena imasom-bahoaka i Kadyrov raha toa ka niara-niasa tamin'ireo olona nitam-piadiana nanafika tao Grozny i Kalyapin, namatsy vola azy ireo avy amin'ireo sampam-pitsikilovana Tandrefana, izay ampangain'i Kadyrov ho manohana ireo mpampihorohoro any Kaokazy Avaratra. Ny ampitson'io, rehefa niteny tao amin'ny antsafa ho an'ny mpanao gazety tao Maosko, nisy lehilahy tsy fantatra nitoraka atody an'i  Kalyapin.

Avy eo, ny 13 Desambra, nisy famoriam-bahoaka lehibe iray, raha ny fantatra dia hoe “manohitra ny fampihorohoroana,” nitranga tao Grozny. Naneho ny fanohanany an'i Kadyrov ireo mpanao hetsika, ary ny maro tamin'ireo olona koa dia nitondra sorabaventy mamely ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona ao an-toerana. Iray amin'ireo takelaka, ohatra, no mivaky hoe “Kalyapin Ndeha Mody $.” Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, nanolo-kevitra ny olona sasany hoe tsy tamin'ny sitrapony no naha-teny ireo mpanao hetsi-panoherana ireo na koa tsy nahafantatra marina ny tena anton'ilay famoriam-bahoaka.

Ny harivan'iny, nisy nandoro ny biraon'ny Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana. Nolazain'i Babinets sy ireo mpiara-miasa aminy fa nahita lehilahy nisaron-tava sy nitam-piadiana nanaraka azy koa izy ireo taorian'ilay firehetana. Rehefa niantso ny polisy mba hanao tatitra ofisialy ry zareo, dia nobedainà lehilahy roa nisaron-tava, izay nitàna azy ireo nandritry ny ora maro sy nangia ireo solosaina ary ireo fitaovana ara-teknikan'ny fikambanana.

Hatreto, tsy misy voampanga ho nanao heloka bevava na iray aza avy amin'ny tarik'i Babinets, mahatonga azy ity tsy ho fantatra hoe handeha hatraiza amin'ny fanenjehana ilay vondrona ry zareo manampahefana.

Iray amin'ireo fikambanana tsy miankina mpiaro zon'olombelona sisa tavela ao amin'ny Repoblika Chechen ilay Vondrona Iraisana Mpanao Fitetezana. Manolotra fitaovana tsy fahita firy ho an'ny Chechen hiatrehana ny olana sosialy tsy dia resahan'ny hafa ireo mpisolovavan'ilay vondrona. Raha toa ireo tranga vao haingana ireo hanery ilay fikambanana hiala an'i Chechen, ho sarotra be ny fihitaran'ny fahavoazana ho an'ny mponina ao an-toerana—misy amin'ireo iharan'ny fakàna an-keriny, fampijaliana, ary famonoana.

Tao anaty tafatafa ho an'i BBC, niteny i Babinets hoe:

За свою безопасность мы, естественно, опасаемся, но выезжать за пределы республики мы не планируем. Потому что у нас очень много работы, и завтра будет и судебное заседание по одному из наших дел. Поэтому нам надо продолжать работать.

Mazava ho azy fa miasa saina momba ny resa-piarovana izahay, saingy tsy miomana ny handao ity repoblika ity. Satria mbola be ny asa hatao, ary rahampitso dia misy fakàna am-bavany eny amin'ny fitsaràna mikasika ny iray amin'ireo raharahanay. Izany no antony tsy maintsy itohizanay miasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.