Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2016

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Marsa, 2016

Nahare Ve? Niverina Ny Global Voices Podcast

Taorian'ny telo taona niatoana dia niverina ihany tamin'ny farany ny Global Voices Podcast. Amin'ity andiany ity izahay hitondra anareo ho any Meksika, Shina, Tajikistan, Makedonia ary Rosia.

Nesorin'ny Marvel Ao Amin'ny ‘Captain America’ Sombin-Tsarimihetsika Vaovao Amin'ny Teny Rosiana Ny Mariky Ny Saina Rosiana

Tao anatin'ny ora vitsy monja, dia voamariky ny mpisera aterineto ny tsy ahitana amin'ny tanàn'ilay miaramila amin'ny voalohany indrindra amin'ny sombin-dahatsary-fampahafantarana ilay marika famantarana rosiana hita ao amin'ny voatra Ôrizinaly.

Nitombo Maro Dia Maro Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Nataon'ny Governemanta Rosiana, Hoy Ny Tatitry Ny Twitter

Araka ny filazan'ny Twitter, nandefa fangatahana 1735 ny governemanta Rosiana sy ny sampana ofisialy ao aminy teo anelanelan'ny volana Jolay ka hatramin'ny Desambra 2015 hanesorana votoaty amin'ny Twitter, in-25 avo heny noho ny tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2015

Fandikàna Iray Isaky Ny Mandeha, Tian'ity Mpanoratra Sady Mpiakatroka Ity Havotana Ny Fahalalàn'ny Tandrefana An'i Rosia

Amin'ny alàlan'ny bilaoginy, ezahan'ilay mpandika lahatsoratra, Thomas Campbell, ny hanentsina ny banga. Ny herinandro talohan'ny 18 Febroary, nitsidika ny Anjerimanontolon'i New York i Campbell, ka tany no namaritany ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana ny tranonkalany sy ny fanarahana maso ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.