Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Janoary, 2016
Politisianina nanasa mpakasary handrakitra azy hividy fiara. Azo sary ihany koa ny famantaranandrony lafovidy noho ilay fiara hovidiany

Raha niaraka tamin'ny ekipa mpiara-miasan'ny televiziona anankiray ny mpanolotsainan'ny tanàna ao St. Petersburg antsoina hoe Vitaly Milonov haka azy an-dahatsary mividy fiara vita rosiana iray, dia tsy nihevitra izy fa ny famataranandrony an-tanana indray no ho lasa resaka. Ary dia izay indrindra anefa no nitranga.