And full stop. The ten-month epic journey is finally over, thank you, everyone, time to break up this party.
Fiatoana tanteraka. Tapitra ny dia maneho herim-po nandritra folo volana, misaotra ny rehetra, fotoana handravana ny fihaonana izao
Voampanga ho “maniratsira manampahefam-panjakana imasom-bahoaka” ilay bilaogera avy ao Kemerovo tamin'ny taona 2012 noho ny lahatsoratra bilaogy mitsikera ny governoran'i Kemerovo, Aman Tulayev sy ny kolontsaina ao an-toerana ary ny filohan'ny departemantan'ny politikam-pirenena, Larisa Zauervain. Nomelohin'ny fitsarana hanao asa 11 volana ho an'ny fiarahamonina i Shipilov, saingy tsy nety nanaiky ny didim-pitsarana izy ary nandositra nankany Moskoa.
Na izany aza, nekena fa azo atao ny mipetraka miafina any Moskoa tany am-boalohany, tamin'ny 10 Septambra 2014, tratran'ny mpampihatra lalàna ilay bilaogera. Satria nitsoaka ny sazy voalohany miasa ho an'ny fiarahamonina i Shipilov, namoaka sazy telo volana an-tranomaizina indray ny fitsarana Kemerovo ho solon'izany, ka nalaina tao Moskoa nafindra tao amin'ny fonjan'ny zanatany izy. Tamin'ny 29 Desambra 2014, navotsotra i Shipilov rehefa nahavita ny sazy telo volana an-tranomaizina. Nandao an'i Rosia tamin'ny volana Febroary 2015 ity bilaogera ity .
Tamin'ny famaliana ny fanehoan-kevitra fiarahabana tao amin'ny Facebook, nanamarika i Shipilov fa na dia nandany 10 volana sy nanao ezaka maromaro tamin'ny paika fangatahana fialokalofana aza izy, nahavita nanao izany manokana ihany izy, tsy nisy ny fangatahana fanampiana avy amina mpisolovava. Tsy mikasa hiverina any Rosia ity bilaogera ity satria matahotra fanenjehana maro kokoa.