Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena manara-maso ny fanadiovam-bola sy ny fanohanana ara-bola ny fampihorohoroana. Nohazavain'i Lambo T. fa tsy nahavita nandroso lalàna enti-miady amin'ny fampihorohoroana sy ny fikambana-jiolahy iraisampirenena ny fitondrana ankehitriny ka izany no nitarika ny fampiatoana ny Samifin.