Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Novambra, 2015
Mamelona Indray Ny Teny Yekuana Heverina Ho Ampianarina Any Amin'ny Anjerimanontolo

Manomana ny voka-pikarohany atao boky momba ny fifandraisana eo amin'ny teny, ny torohay, sy ny teknolojiam-pifandraisana ny mpianatra indizeny Yekuana iray.
Vazimba Teratany Lumad Ao Filipina Miampanga Ny Fanararaotana
“Nopotehan'ny Tafik'i Filipina ny sekolinay. Nodoran'izy ireo ny kaoperativam-pambolenay. Niainako ny famonjàna ary ankehitriny miatrika fiampangana noforomporonina avy amin'izao zavatra rehetra izao hoe nanao fakàna ankeriny. Malahelo ny tanin'ny razanay izahay."
Fiarahamonina Indizeny Miaina Zava-tsarotra Noho Ny Disadisa Ao Amin'ny Faritra Amerika Atsimo
Fizaram-paritra eo amin'ny 159,542 km toradroa (61,600 maily toradroa) eo no iadivan'i Goaiana sy Venezuela. Mizaka mafy ny vokatr'izany ireo vondrona indizeny.
Manavao Ny Famoretana Ny Fombafomba Ara-Pivavahana Indray Ny Governemanta Any Bahrain
Nifandona tao Bahrain androany ny mpitandro ny filaminana sy ny tanora, rehefa nanafika tanàna ny polisy, ka nanàla an-keriny ny sorabaventy napetraka teny amin'ny lalana ho fankalazàna ny Ashura. Maro ny olona naratran'ny bala firaka natifitra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Tazonin'Ireo Akanjo Mena Ho Velona Ny Fahatsiarovana Ireo Vehivavy Aborizena Tsy Hita Sy Maty Novonoina Tao Kanadà
Mikatsaka fisarihan-tsaina momba ny tsy rariny manoloana ireo vehivavy Aborizena ao Kanadà ny Fametrahana ila tetikasa zavakanto, REDress: manodidina ny 1.200 ireo vehivavy Aborizena novonoina na nanjavona nanomboka ny taona 1980.
Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina
Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina