Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Aogositra, 2012
Pero: Notokanana Tamin'ny Fomba Ôfisialy Ho Zava-Boahary Mahaliana Amazona
Ny Alatsinainy 13 Aogositra teo dia sehatry ny fankalazana marevaka manamarika ny fanokanana ofisialy an'i Amazona ho iray amin'ireo Zava-boahary Mahaliana Fito Vaovao ny tanànan'i Iquitos. Nizara fihetsika isankarazany momba io fankatoavana an'i Amazona io ny mpiserasera amin'ny aterineto.
Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché
Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.
Paragoay: Niainga Tamin'ny Asa An-tery Vaimanta, Lasa Mpitarika Ny Teratany
Fony mbola dimy taona i Margarita Mbywangi dia nesorina teo anatrehan'ireo ray sy reniny ary namidy im-betsaka ho mpiasa an-trano tsy araka ny sitrapony tany amin'ny tranon'ireo Paragoaiana sangany. Lasa mpitarika nanana ny lanjany ho an'ireo teratany Aché izy sady lasa Kabinetra taminà Minisitera. Mpandray anjara amin'ny tetikasa Rising Voices mba hampiasana ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hizaràna ny tantarany i Mbywangi amin'izao fotoana .
Gòatemala: Zon'Olombelona Ny Fidirana Aterineto
Ao ambanivohitra indizèny ao Santiago Atitlan, nosokajiana anatin’ny “zon’olombelona” ny fidirana amin’ny aterineto araka ny fanambarana nataon’ny mponina sy ny manam-pahefana ao an-toerana. Nametraka drafitra ihany koa ny manampahefana amin’ny fametrahana...