Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Jona, 2017

30 Jona 2017

Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra

"Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika."

24 Jona 2017

Fiandohan'ny Fahavaratra ao Koety

Noho ny fitomboan'ny merkiora amin'izao fahavaratra ao Koety izao , sahirana mitady fialam-boly amin'ity vakansin'ny fahavaratra ity ny bilaogera.

09 Jona 2017

Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”

Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.

07 Jona 2017

Maso Arabo: Ny Afovoany Atsinanana An-tsary

Ny Afovoany Atsinanana An-tsary anio dia hitondra antsika ho any amin'ny torapasika milamina ao Dubai , i Doha rehefa amin'ny alina , ny sarin'ny voninkazo ao Bahrain, ny voninkazo mamelana an-jaridaina ao Syria amin'ity lohataona ity ary farany ny fividianana Viagra ao an-tsenan'i Fez, ao Maraoka.

06 Jona 2017

Fetibe Iray Vaovao Ao Madhya Pradesh, Mamelona Indray ny Kolontsaina iray Efa Verin'ireo Vazimba Teratany

An'arivony maro ireo olona nifamory tao amin'ny vohitr'i Verwada ao amin'ny distrikan'i Barwani hankalazàna ilay fetibe tena mbola vaovao tao Madhya Pradesh –ny fetiben'ny Rani Kajal Mata, andriamanitra fahagolan'ireo vahoaka vazimba.