Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Aogositra, 2023
Gabôna, firenena fakàn-tàhaka amin'ny fitrohana ny entona karbôna
Mety hanosika ireo manampahefana handinika ny pôlitikany momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fikajiana ny ala ireo fanamby ara-tsôsialy sy toekarena atrehan'i Gabôna
Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara
Fanintelony hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao i Madagasikara.
Andian-tantara vaovao amin'ny TV ao Taiwan, mikitika ny resaka saropady momba ny foko, ary tona ao amin'ny Netflix
Andiana tantara iray amin'ny fahitalavitra ao Taiwan mitondra ny lohateny hoe "Port of Lies", nalefa ihany koa ankehitriny tamin'ny Netflix, no niatrika ny iray tamin'ireo olana tena saropady indrindra ao Taiwan amin'izao fotoana izao : ny foko.
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.
Burkina-Faso : Fahalotoana mahatsiravin'ny rivotra ao Ouagadougou vokatry ny fikatsahana tombontsoa pôlitika
Amin'ny tanàna iray ao amin'ny renivohitra borkinabe, misy toerana fitrandrahana vato granita manapoizina isanandro ny mponina manodidina, saingy tsy mihetsika ireo manampahefana ao an-toerana misahana ny fahasalamam-bahoaka
Maneho ny heviny amin'ny lalàna vaovao momba ny teny ao Kyrgyzstan ireo diplaomaty Rosiana, mampahatsiahy ny fanjanahantany taloha
Ampahany manan-danja amin'ny maha- mariky ny firenena ny fiteny Kyrgyz. Zava-dehibe amin'ny fahaveloman'ny vahoaka Kyrgyz amin'ny maha-vondrona foko misaraka azy sy Kyrgyzstan amin'ny maha-firenena azy izy.
Ny fomba fitazonan'ireo mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali ao India hanamafisana ny teny indizeny
Ny fanadihadiana tamin'ny taona 2022 natao tamin'ny teny Ho sy Santali, fiteny indizeny avy any India, no nahitana fa 70,4 isanjaton'ny mpamorona no mampiasa ny findainy mba hamoronana sy hampidirana votoaty, na dia mbola fanamby lehibe aza ny famadihana izany ho vola.