Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Mey, 2019

Nividy ampaham-pananana amin'ny lalamby ny vazimba breziliana hiantsoany fa tsy nanao ny adidiny amin'ny tontolo iainana ny orinasa

Tsy ny hahazo anjara vola no tanjon-dry zareo fa ny handrenesan'ny mpampiasa vola ny orinasa ny feon-dry zareo.

Breziliàna nidina an-dalambe nanerana ny firenena mba hanohitra ny fampihenan'i Bolsonaro ny tetibola ho an'ny fampianarana ho an'ny daholobe

Avy any São Paulo hatrany Amazon, an'aliny maro ireo Breziliàana nivoaka ny tranony tamin'ny 15 May mba hiaro ny fanabeazana ho an'ny daholobe.

Maninona no toherin'ireo vahoaka indizeny ny filoha Ivan Duque?

Nikarakara hetsipanoherana nasionaly nanoherana ny filoha Duque ireo vahoaka indizeny ao Kolombia, nanambatra ny heriny tamin'ny an'ireo fikambanana sivily hafa toy ny Afro-kolombiàna, tantsaha madinika, sendikan'ny mpiasa sy mpianatra.

Fifandimbiasam-pifanentanana Twitter vaovao @NativeLangsTech hampirohondrohona ny feon'ireo mpikatroky ny tenin-janatany

Miaraha aminay amin'izao fankalazana ny fimaroam-piteny ao anatin'izao taona iraisampirenena ho an'ny fitenin-janatany izao, amin'ny fanentanana Twitter manome vahana ny zavatra iainan'ny mpikatroky ny fitenin-janatany avy ao Amerika (Avaratra) sy Firenena Voalohany avy ao Etazonia sy Canada.

Hizara ny feon'ireo 50 mpikatroka ara-niomerika ho an'ny tenim-pirenena teratany ny hetsi-panentanana Twitter miodina mandritra ny taona iray

Midira ao amin'ny Rising Voices satria mankalaza ny fahamaroana ara-teny mandritra ny Taona Iraisam-pirenena Natokana Ho An'ny Tenim-pirenena Teratany isika, miaraka amin'ny hetsi-panentanana Twitter izay mampitombo ny traikefan'ireo mpikatroka ara-niomerika ho an'ireo tenim-pirenena teratany any Amerika Latina.