· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Aogositra, 2018

Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany

  27 Aogositra 2018

Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy.

Masoarabo: Manohitra ny fomba Saodiana

Tamin'ny fankalazana iraisampirenena ny Andron'ny Vehivavy, naka lahatsary fitondrana fiara tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Arabia Saodita ilay mpikatroka Saodiana Wajiha Huwaidar, mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy hitondra fiara, ary nandefa izany tao amin'ny YouTube.