Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Mey, 2015
Na dia Misy aza ny Fanoherana, Mbola Miasa Hanangana Tohodrano Goavana Mety Hamindrana Toerana ireo Teratany 20.000 i Malayzia
"Natsangana ho tombontsoan'ny hafa izy io fa tsy ho amin'ny tombontsoan'ireo monina ao Baram ary rahatrizay any aoriana be any vao ho fananan'i Baram.."
Mandraisa Anjara Hihaona amin'ireo Mpikatroka Nomerikan'ny Teny Indizeny Ao Kolombia
Miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka ao an-toerana, faly ny Rising Voices manambara fa misokatra ny antso fandraisana anjara amin'ny Fihaonamben'ny Mpikatroka nomerikan'ny Teny Indizeny hotontosaina amin'ny 18-19 Jiona ho avy izao ao Bogota, Kolombia.
Sary Nahazo Loka Mampiseho Ny Fiainan'ny Vahoaka Teratany Ao Amin'ny Nosy Orchid Ao Taiwan
Nitsidika matetika ny nosy Orchid ao Taiwan i Wen-Yen Wang ary nandrakitra ny tantaran'ny vahoaka Taô ao anaty sary, izay nahazo loka vao haingana tamin'ny sokajy maromaro nandritra ny fifaninanam-pirenena nokarakarain'ny Taiwan News Photograph Study Group.
Matin'ny Hetaheta Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Teratany Wayúu Ao Kôlombia Sy Ao Venezoelà
Nofefena ny renirano lehibe mamakivaky ny faritra misy ny vondrom-piarahamonina teratany ary lasa notantanin'ny tsy miankina ny rano ho an'ny fitrandrahana arina lehibe indrindra eran-tany sy ny fambolena ara-barotra.
Fanomezam-boninahitra An'i Espíritu Bautista, Mpiaro Ny Teny Sy Kolontsain'ny Yanesha
Niara-niasa tamin'i Espíritu Bautista, izay efa namoy ny ainy i Anna Luisa Daigneault tamin'ny fitehirizana ny teny sy ny kolontsaina Yanesha. Manoratra lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra azy i Anna amin'ny fizarana ny teniny avy amin'ny Tahirin-kevitry ny Tantara Am-bavan'iny Yanesha.
Sambany Teo Amin'ny Tantara, Namoaka Didy Amin'ny Fiteny Quecha Sy Aymara Ireo Mpitsara Ao Però
Efa ampolo taona maro ny Aymara sy Quechua no fiteny ofisialy tao Però, saingy tamin'ity 2015 ity ireo mpitsara vao sambany ampiasa ireo fiteny ireo tany anatin'ny didy ofisialy navoakany.