Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Marsa, 2017
Miara-miasa Amin'ny Tanora Guatajiagua Mba Hamelona Indray ny Teny Potón Ao El Salvador
Nikarakara ny fotoana fandraketam-peo sy fampianarana fampahafantarana ny asa fanaovan-gazety, mifototra amin'ny fifandraisana indizeny ny andian-tanora, mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Vondrom-piarahamonina Lenca ao Guatajiagua (ACOLGUA).
Ny Nataon'i Alemaina Tamin'ireo Herero sy Nama Tao Namibia No Vonomoka Voalohany Indrindra Tamin'ny Taonjato Faha-20
Ny 1904 hatramin'ny 1908, nampiharin'ny hery alemàna mpanjanaka ny ady famongorana ireo Herero 65.000 sy Nama 10.000 nanerana ny firenena
Taona Iray Taorian'ny Namonoana an'i Berta Cáceres, Mitohy ny Tolona Ho An'ny Tany ao Honduras – Toy Izany Koa ny Fandrahonana
"Mitolona izahay mba ho lasa zo maha-olona ny angovo. Tokony hiditra anaty lisitr'ireo fanànana iombonana izy io ary noho izany dia tokony hanana ny anjara teniny amin'izy io ny olona."
‘Zanakavavin'ny Ala’, Fanadihadiana iray Momba ny Fampizakana Tena ireo Vehivavy Tanora Any Ambanivohitr'i Paragoay
"Omeo vintana ny ankizivavy amin'ny fanolorana azy ireo fanabeazana, dia afaka ny ho lasa mpikambana sarobidy sy mavitrika eo anatin'ny fiarahamonina" hoy i Samantha Grant, mpanatontosa sarimihetsika.