Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Marsa, 2012

31 Marsa 2012

Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ambanivohitra. Manazava ny  Cultural Survival: Nomanin'ny Comite de Unidad Campesino, (CUC) [Komity Fampiraisana ny Campesino] ny diabe...

27 Marsa 2012

Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba...

23 Marsa 2012

Arzantina: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ireo Vazimba Teratany ao Buenos Aires

Mampiseho antsika ny tantaran'ireo taranaka teratany 4 anaty fiarahamonina mipetraka ao an-tanànan'i Buenos Aires ny lahatsary fanadihadiana, ary mampiseho ny fomba nitoloman'izy ireo amin'ny fitakiana ny maha-olom-pirenena azy, sy ny fiverenana indray amin'ny kolontsainy ary ny fanomezana toerana ho azy ireo manokana ao an-tanàna. Miompana momba ireo tanaraka marobe ao...

20 Marsa 2012

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana...

Panama: “Ngäbe Aho, Bugle Aho, Panameana Aho”

Noho ny tambajotra sosialy, tazamaso indrindra noho ny taloha ny tolona ataon'ny vazimba teratany Ngäbe-Bugle tamin'ity taona ity. Tamin'ny Febroary, araka izay notaterin'i Ariel Moreno tato amin'ny Global Voices, nobahanan'ny vondron'olona Ngäbe-Bugle ny lalambe migodàna Pan-American ho fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy “ho fangatahana amin'ny governemanta hanatanteraka ny...

19 Marsa 2012

Torkia: Notafihan'ny Polisy Ny Kiorda Nandritra ny Fankalazany ny Newroz

Kiorda an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny Newroz,  hetsika izay efa nomanina mialoha, kanefa naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny basirano, sy baomba mandatsa-dranomaso indray androany ny manerana an'i Torkia. Na dia eo aza ny herisetra hatrehin'izy ireo ao Diyar Bakir, manohy ny diany mankany any amin'ny kianja tokony hanaovana ny...

03 Marsa 2012

Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona

Andian-dahatsary mahaliana sy vao haingana nataon'ny Global Voices ho fiarovana ny zon'olombelona ka tafiditra amin'izany ny zon'ny vazimba teratany sy ny vaovao faramparany avy any Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana ary Afrika atsimon'i Sahara izay nofantenin'i Juliana Rincón Parra.