Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Marsa, 2011
31 Marsa 2011
Kolombia: Vondrom-Piarahamonina Indizena Miaro Ny Fahavitan-tena Ara-Tsakafony
Nanao dingana ho fiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafony ireo vondrom-piarahamonina Indizena any Kolombia. Tsy hoe fotsiny mampianatra ny mpiara-monina aminy hihinana izay novoleny teo an-jaridainany izy ireo, toy izay hividy sakafo lafo netina avy any ivelany, fa koa manohitra ny lalàna vaovao sy ny fameperana ny fahazoan'izy ireo manjifa ronono.
26 Marsa 2011
Paragoay: Fahasarotana am-piterahana asehon'ny bilaogin-tsary
Ny olom-pirenena ao Asuncion, renivohitr'i Paragoay, dia tsy mahatsiaro matetika ireo zaza vao teraka ho toy ny antom-pahafatesana iraisan'ireo vehivavy Paragoayana. Mbola tsy tafita tsara any amin'ny haino aman-jery be mpijery izany vaovao mitranga ao amin'ny firenena izany. Vokatr'izany, maro ireo Paragoayana no tsy mahalala ny fisian'ny taha -pahafatesan'ny zaza...
16 Marsa 2011
Panama: Mpanao gazety voaroaka
Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...