Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Novambra, 2012

29 Novambra 2012

Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila

Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do...

28 Novambra 2012

Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana

Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana....

14 Novambra 2012

Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan

Na dia heloka aza ny fakàna vady an-keriny ao Kyrgyzstan, dia mbola betsaka ireo lehilahy manohy maka an-keriny ireo tovovavy iriany ho vady. Vao tsy ela akory izay,namoaka lalàna ireo parlemantera tao Kyrgyz noho ny tery vay manta nataon'ireo fikambanam-behivavy. Ary ankehitriny ny fakàna an-keriny tovovavy sy ny fanerena azy...

Sodàna: 8 Volana Izay No Notànana Am-ponja Ilay Mpikatroka ao An-tendrombohitr'i Nouba

Ny alin'ny 14 Martsa 2012, nalain'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tao amin'ny trano fonenany ilay vehivavy antsoina hoe Jalila Khamis Kuku ary nampidirina am-ponja. Tsy mahazo maka mpisolo vava izy ary tsy mahazo mitondra akanjo hosoloina ihany koa, natosika tao anaty fiara pickup i Jalila izay mbola...

07 Novambra 2012

Fahalotoan'ny Rano Mitera-doza Ho An'ny Aina Sy Ny Tontolo Iainana Ao Amin'ny Tany Hay Tengger

Tato anatin'ny andro vitsy, ireo mpikambana ao amin'ny tarika Yellow River 10-Year Investigation [zh] - Fanadihadiana isaky ny 10 taona momba ny Renirano Mavo - dia nanomboka nitatitra ny teo-draharaha mikasika ny fahalotoan'ny rano ao amin'ny tany efitr'i Tengger any Mongolia Afovoany. Milaza ilay tarika fa misy rano miloko mainty...