Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Avrily, 2018
Manampy ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina ao Meksika mba ho tsara fiomanana kokoa amin'ny vonjitaitra

Torolalana vaovao natao hanampiana ny vondrom-piarahamonina sy ny median'ny tompotany ao Meksika mba hanomanana tsara kokoa ny vonjitaitra.
We Matter: Fanentanana amin'ny aterineto mizara fanantenana sy fitsaboana miaraka amin'ny tanora tompotany

Ny 'We Matter' dia fanentanana antserasera ao Kanada izay manasa ny tanora tompotany sy ny mpiara-dia aminy mba handefa lahatsary fohy ao amin'ny tranonkalan'izy ireo.
Te-hanana Antoka ny Mpanatontosa Sarimihetsika iray Hoe Hanana Anjara-Toerana ao amin'ny Fitantarana Amerikanina Ireo Tantaran'ny Teratany Tompontany Voalohany
Izao ny anay "Teratany miandraikitra ny tantarany." Izany no ho tantaranay mandritra ny fotoana elaela, mandroso foana, mandrapisy fiovàna eo amin'io indostria io.
Paragoay: Mampiely ny teny Guaraní amin'ny alalan'ny bilaogy
Any Paragoay, izay afaka miditra aterineto ny 3% -n'ny mponina ary 88%n'ny mponina no mampiasa ny fiteny indizeny ao Guaraní, fitem-pirenena ofisialy ihany koa, nahita fahafahana iray tsy mbola nisy nanao i Mirta Martínez, mpanao gazety sady mpampianatra Guaraní, izy no lasa bilaogera voalohany sady tokana manoratra amin'ny teny Guarani
Voces Bolivianas: Tetikasa Median'olon-tsotra (Fizarana Voalohany)
Ny Voces Bolivianas dia tetikasam-pampitam-baovaon'ny olom-pirenena izay mampiroborobo ny fampiasana ny TIC (Teknolojiam-baovao sy fifandraisana) mba ahafahan'ny Boliviana manokana avy amin'ireo vondrona zara raha fantatra mba hilaza ny tantarany momba ny fiainany sy ny fiarahamoniny, ka manapa-kevitra ny fomba hanehoana azy ireo.
Japana : Fanehoankevitra Manoloana Ilay Lazaina Fa Fanolanàna Tao Okinawa
Nahatonga fiampangàna maro avy amin'ny mponina tao an-toerana, avy amin'ny politisiana, ary amin'ny governemanta sy ireo blaogera [ja] ilay vaovao tamin'ny herinandro farany teo izay nanambara fa nanolana mpianatra iray vao 14 taona monja tao Okinawa ilay "sergent" Tyrone Hadnott avy amin'ny "Marine" Amerikàna, nandrehitra ny hatezerana koa ny mbola fisian'ny toby miaramila Amerikana ao amin'ny Prefektiora farany atsimo ao Japana...Tetsy ankilany, tanaty bilaogy sy ny resaka tanaty aterineto, maro ireo Japoney no nanakiana ilay niharam-boina noho ny tsy fitandremana sy ny "famelàna" ilay fanolanana hitranga.
Teny 2.500 Manerantany Tandindonin-doza
Navoakan'ny Fikambana Ara-panabeazana, ara-tsiantifika sy Ara-kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana (UNESCO) ny Sarintany ifarimbonana misy ireo fiteny tandindonin-doza, izay mampiseho ireo tenin-drazana 2.500 amin'ireo 6000 atahorana. Mangataka amin'ny mpiserasera ny fikambanana iraisam-pirenena mba handray anjara amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny tetikasa izay mampanahy ireo bilaogera maro ny fiarovana ny kolontsaina.
Mitady Anaran-tsehatra indigi Vaovao Ireo Mpikatroka Tompotany
Natao anjorony sy nampijaliana nandritra ny taonjato maro, mitady fizakantena ara-aterineto ankehitriny ireo vahoaka tompotany (indizeny) izay matetika sokajian'ny fanjakana fa vitsy an'isa. Nentanin'ny fahafahana hamorona (gTLD) vaovao, te-hisoratra anarana amin'ny anaran-tsehatra azy ireo manokana [teboka] indigi ny mpikatroka sasany. Saingy hahavita handresy ny fanamby ara-bolan'ny aterineto ve izy ireo?