Tazonin'Ireo Akanjo Mena Ho Velona Ny Fahatsiarovana Ireo Vehivavy Aborizena Tsy Hita Sy Maty Novonoina Tao Kanadà

REDress Project installation: At the Canadian Museum of Human Rights; a response to over 1000 missing and murdered aboriginal women. Photo by Flicker user Sean_Marshall. CC BY-NC 2.0

Fametrahana ny Tetikasa Akanjo MENA: Ao amin'ny Tranombakoka Kanadiana misahana ny Zon'olombelona valinkafatra iray momba ireo vehivavy Aborizena maherin'ny 1.000 tsy hita sy maty novonoina. Sary avy tamin'ny mpampiasa Flickr Sean_Marshall. CC BY-NC 2.0

Akanjo Mena, tsy misy mitafy azy izay maneho fahafatesana sy fanjavonana. Mihantona mangotanatana sady tsy misy aina izy ireo, tahaka ny miandry ny tompony hitafy azy –  Ireo vehivavy Aborizena Tsy hita popoka tao Kanadà.

Anisan'ny Tetikasa REDress ireo fitafiana, fametrahana zavakanto iray hisarihana saina mikasika ny tsy rariny. Manodidina ny 1.200 eo ho eo ireo vehivavy Aborizena novonoina na nanjavona nanomboka ny taona 1980, araka ny Royal Canadian Mounted Police (mpitandro filaminana mitaingin-tsoavaly). Raha 4,3%-n'ny vehivavy Kanadiana monja no Aborizena, nanome ny 16%-n'ireo vehivavy novonoina nanerana an'i Kanadà ireo vehivavy Aborizena niharan'ny famonoana olona.

Ny 4 Oktobra 2015, niangavy ireo vehivavy hanolotra akanjo mena iray avy i Jamie Black, mpamorona ny Tetikasa, hanantona akanjo iray eo ivelan'ny tranon'izy ireo na hiakanjo izany mihintsy amin'io andro io. Tamin'ny Twitter, teo ambanin'ny tenifototra , nanangona ireo sary mampihetsim-po mikasika ireo akanjo, ireo olom-pirenena manerana an'i Kanadà mba ho toy ny fahatsiarovana ireo vehivavy Aborizena Kanadiana izay nesorina ny ainy.

Ireo akanjo mena mihantona ao an-tobin'i Ryerson ho fanomezam-boninahitra ireo vehivavy indizena nanjavona sy novonoina. #REDressproject pic.twitter.com/h6QqCMfHXG

Kianjan'i Thornton ao Vancouver. Fakana sarin'ny Tetikasa REDress fampahatsiahivana matanjaka ny MMW anay. pic.twitter.com/sgeUKF5AAl

— Dave Saba (@saba_dave) October 15, 2015

#mmiwg notsarovan'ny #redressproject: ireo akanjo 9 eo ivelan'ny fiantsonan'ny fiarandalamby ao  Main St ny 18 Oktobra teo  #sistersinspirit pic.twitter.com/YesCbq9ZfE

Fanehoana ny fisiana amin'ny alalan'ny marika milaza tsy fisiana. #MMIW #REDressProject pic.twitter.com/cZB0aRYnQP

te-hijanona ireo akanjo – hiandry ary hisisika hitaky ny rariny mikasika ireo vehivavy novonoina #MMIW #REDressProject pic.twitter.com/wFmIM6d4KX

Teny an-dalana hody aho nahamarika akanjo mena iray amin'ny trano iray misy varavarana vitsivitsy. Ave Lajoie #Outremont #MMIW #REDressProject #elxn42

I Black, ny tenany izay mpikambana rahateo ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba Safiotra, no nanomboka ny tetikasa REDress ny taona 2010, niara-niasa tamin'ny Ivon-toeran'ny Oniversiten'i Winnipeg ho any Vehivavy sy ny Fampianarana Miralenta tamin'izany fotoana, mba hanehoana ireo akanjo mena manodidina ny 100 tao anatiny sy teny ivelan'ny trano fonenan'ny mpianatra. Fanomezana avy amin'ireo olona manodidina ny firenena avokoa ireo akanjo sady avy aminà kolontsaina samihafa.

Nanbome topimaso momba izay nandrisika azy hanomboka ny tetikasa izy tao anaty tafatafa miaraka amin'ny vavahadin-tseraseran'ny Indigenous Foundations Arts:

Vokatry ny aingam-panahiko tamin'ny asako amin'ny maha-mpampianatra ahy tao amin'ny Opaskawayak Cree Nation, ny tetikasa REDress, fantatra ihany koa tahaka ny The Pas, izay toerana namonoan'ny tovolahy roa tsy nampangaina na nohelohina akory taona maro lasa izay, an'i Helen Betty Osborne raha nandeha an-tongotra izy hody iny alina iny . Ary koa avy amin'ny vondrona iray misy vehivavy 300 tao Kôlômbia izay nanana risika ny hamorona hetsika mandritra ny adiny 4 hanoherana ny fanjavonana sy ny famonoana ireo havany akaiky eo amin'ny toerana malalak'i Bogota. Ary avy amin'ny vehivavy Aborizena iray teny amin'ny anjerimanontolo nandritra ny velan-dresaka momba ny Fianarana Kanadiana tao Alemàna nitsangana mba ho fampatsiahivana ny tsirairay mikasika ny fanjanahan'i Kanada taloha sy ankehitriny.

Na teo aza ireo isa mila herisetra mampisafoaka natao tamin'ireo vehivavy Aborizena tao Kanadà, maro no mbola tsy mahalala ireo loza mbola misy amin'izao. Linda Nothing, izay nanampy tamin'ny fikarakarana ny fananganana ny tetikasa tao Calgary, no nanazava tamin'ny tafatafa tao amin'ny Metro News fa:

Ny sary ihany dia afaka miteny amin'olona maro. Raha tsy mahalala ny olana izy ireo dia matetika misafoaka sady gaga hoe mitranga ao Kanadà ilay izy, satria maro loatra no mbola tsy nandia fianarana ary olana eto ny fampianarana diso momba ny olan'ireo teratany.

Jereo ny lahatsary mikasika ny tetikasa tamin'ny taona 2011 eo ambany:

Ny tetikasa REDress dia fanentanana amin'izao fotoana izao ao amin'ny The Acadia University Art Gallery hatramin'ny 29 Novambra. Azonao arahana ao amin'ny pejy Facebook ofisialy ny fanavaozam-baovaon'ilay tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.