· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Janoary, 2012

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

29 Janoary 2012

Yemen : Andro tsy hihinanana katy ny 12 janoary

Ny katy dia zavamaniry maintso be ravina manome hery mitovy amin'ny amphetamine ary sokajian'ny OMS ho zavamahadomelina. Fitsakotsakoan'ny ankamaroan'i Yemenita saika isan'andro izy ity, na lahy na vavy. Ny tena mampalahelo dia...

19 Janoary 2012

Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana

Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay

04 Janoary 2012

Izay Nisongadina an-Tserasera Avy Amin'ny Firenena Mpiteny Portiogey Nandritra Ny Taona 2011

Taona iray hafa nitaterana, nandikana ary nampielezan'ny mpikatroka sy ny mpamaham-bolongan'ny firenena mpiteny portiogey ny bolongana sy ny valantserasera manerana izao tontolo izao ny taona 2011. Hifantenana izay nisongadina avy amin'ny fiteny portiogey tato amin'ny Global Voices nandritra iny taona nivalona iny ity lahatsoratra ity.

03 Janoary 2012