Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Marsa, 2016
Amazonia Peroviana: Miparitaka Indray Ny Solika Ao Amin'ny Lohasahandriak'i Rio Marañon
Tratry ny fiverimberenan'ny fiparitahan'ny solika ny faritr'i Marañón, mitete avy amin'ny fantsona any avaratr'i Però. Mitohy ny hamehana ara-tontolo iainana.
Nisy Namono Tao Honduras i Berta Cáceres Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Sy Mpitarika Teratany
Taona maro nitolomana hiarovana ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina teratany no namonoana ilay tompondakan'ny zon'olombelona Berta Caceres tao Honduras tamin'ny 3 marsa.
Otrikaretina Sida Mandrava Ny Vondrom-piarahamonina Teratany Warao Ao Venezoela
Porofo mazava ireo tarehimarika ireo fa ny zava-mitranga ao amin'ny Vinanin'i Orinoco ao Venezoela dia areti-mifindra - valan'aretina izay mampidi-doza mety hitarika ny fahafonganan'ny fokonolona vazimba teratany iray manontolo.
Arisiva Nomerika Manampy Amin'ny Fitehirizana Ny Literatiora Aborizinaly Aostralianina

Asongadin'ny arisiva ny endriky ny tantara fahiny hoan'ny ankizy; ny tantara taloha sy taorian'ny fifandraisana tamin'ny vahiny ; ny boky momba ny tontolo iainana, fihazana, raokandro avy amin'ny bozaka, tantara-matoatoa, tantara foronina, tantaran'ny toe-javatra malaza tsaroana, tantara velona, fomba famoronana tantara, ary angano fampitandremana avy ao Northern Territory ao Aostralia.