Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Oktobra, 2017
Nepal: Samy Manana Ny Androny, Antsoina Hoe “Kukur Tihar”, Ny Alika Tsirairay Avy
"Ny fanajana ny zavaboary tsirairay no fenitra fototra amin'ny angano Hindoa. Androany no andron'ny Alika ao Nepal. Mirary 'KukurTihar' sambatra (fanompoam-pivavahana amin'ny alika)"
Fianakaviana Goatemalteka: Doña Maria
Mipetraka am-pireharehana ao an-dakoziany i Doña Maria, fianakaviana matriarka araka ny hita eo amin'ny huipil (akanjo misy petakofehy) miloko fotsy.
Bangladesh : Fampandrosoana Amin'ny Fomba Rehetra
Raha ny marina, maneso momba ny laharampahamen'ireo Fikambanana Tsy Miankina maro i Khokon. ''Tena aleoko tanteraka miantso ity ho NPO'' (Non-For-Profit organization na Fikambanana Tsy Mitady Tombony Ara-bola).
Però: Mifaninana Hahazo Loka Ny Lahatsary Fanadihadiana Iray Mikasika Ny Fampianarana Ambanivohitra
Mampahafantatra antsika mikasika ny fizaran'ny horonantsary fanadihadiany fohy izay maharitra 6 minitra 'Camino a la Escuela' ilay mpanatontosa Humberto Saco , izay ho alefa ao amin'ny Current TV ao anatin'ny fifaninanana Seed of Tolerance ; fifaninanana iray natao ho an'ny mpanao gazety sy ny mpamokatra sarimihetsika...
“Fifandonana sy Rà Latsaka no Hany Mahaliana ny Media”
Ady, fifandonana ary rà latsaka no hany mahaliana ny media ny mitatitra azy, ary tsy raharahainy izay lohahevitra hafa manandanja aminay ihany koa. Ao Sarayaku, anokananay ezaka betsaka tokoa ny fampahafantarana ny Kawsay Sacha, tolokevitray ho aminà fomba fiaina iray vaovao izay anasàna ny olona ho tsara fihavanana amin'ny tontolo misy azy, amin'ny tenany ary amin'ny hafa.
Naato Indray Ny Asan'ny Orinasa Mpamokatra Herinaratra Mandeha Amin'ny Rano, Belo Monte Ao Brezila
Roa taona lasa izay, nomena fahazoan-dalana hiasa ny Tohodranon'i Belo Monte ao amin'ny faritra avaratry Parà any Brezila ary ao anatin'ny dingana farany amin'ny fananganana. Na izany aza, mbola miatrika fiampangàna fa manitsakitsaka ny zo ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ity orinasa mpamokatra herinaratra amin'ny alalan'ny rano ity.
“Tokony Hiresaka ny Tolon'ny Tompotany Isika, Kanefa Mila Mankasitraka Ny Zava-bitantsika Ihany Koa “
Angamba lohahevitra sasantsasany ihany no resahin'ny fampitam-baovao ary manome ny fomba fijery amin'ny ankapobeny ny zava-mitranga izy, saingy tsy hita ny fototry ny olana, sy ny fomba fijerin'ny vondrom-piarahamonina indizeny sy ny firenena .
“Amin'ny Maha-zatovo Tompotany Anay, Manan-jo Hilaza Ny Hevitray Horenesina Izahay”
We need more outlets where youth can get involved and make our voices heard because we, too, have much to say and offer. Mila sehatra maromaro ahafahan'ny tanora mandray anjara sy ilazanay ny hevitray izahay satria izahay ihany koa dia manana zavatra maro holazaina sy atolotra.
‘Ikala Serfa: Amboara Iray Voafantina’ Manazava ny Herisetra Manjo Ireo Vehivavy Teratany ao Amerika Avaratra
"...manome sehatra ho an'ireo vehivavy vazimba teratany izy ary tsy mametraka fitsaratsaràna ao anatin'ny tantara tian'izy ireny horesahana amin'ny alàlan'ny Ikala Serfa."
Lahatsary: Tsy Manana Hialofana Saingy Tsy Voatampim-Bava
Avy any Kolombia hatrany Kanadà, mandalo ny Royaume-Uni sy Etazonia, maro ireo fandraisana andraikitra teraka mba hanomezana fitenenana ireo olona farahidiny sy adinon'ny fiarahamonina: ny ankizy, ny vazimba teratany, ireo mpifindramonina ary ny vondrom-piarahamonina pelaka.