· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Desambra, 2017

Bolivia: Diaben'ireo Vahoaka Indizeny Voaporitry Ny Polisy Ao Yucumo

  30 Desambra 2017

Ny diabe nataon'ny vahoaka boliviana indizeny, izay manohitra ny tetikasam-panjakana hanangana arabe ary miaro ny taniny, dia tsy afa-nihetsika nanoloan'ny sakana nataona vondrona mpomba ny fanjakana tao amin'ny tanànan'i Yucumo. Tamin'ny 25 Septambra, nandefa entona mandatsa-dranomaso teny amin'ny lehilahy, vehivavy sy zazakely ary nanangona ireo mpanao diabe ny polisy nanao fanamiana, niteraka fanehoankevitra manerana an'i Bolivia.