Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Septambra, 2015
Nampisokatra Ny Mason'ny Peroviana Manoloana ny Fahafatesan'ireo Zanaky ny Fireneny Ilay Zazalahy Syriana Maty An-drano
Niteraka fiaraha-miory iraisampirenena ny sarin'ilay zazalahy Syriana maty an-drano, raha niteraka fifanoheran-kevitra kosa ny sarin'ireo ankizy matin'ny hatsiaka tao amin'ny tangoron-tendrombohitra Andes Peroviana.
Tantara an-tsarimiaina ny fahaizan'ny Cherokee hampifandrindra hatrany ny teknolojia ho azo ampiasaina amin'ny endritsoratra Cherokee

Ity ny lahatsarin'ny fomba nandraisan'ny fiteny Cherokee sy ny nivoarany hifanaraka hatrany amin'ny teknolojian'ny fifandraisana nampidirina tao anivon'ny fiarahamonina.
Tratra Ny Ezaka Saika Hanafenana Ny Hitsaka Nataon'ny Solika Tao Pero
Ampahany voalohany amin'ny fanadihadiana nataon'ny Convoca ity, nifototra tamin'ireo tatitra momba ny fanaraha-maso ny tontolo iainana amin'ny vokatry ny hydrocarbure sy ny herinaratra maherin'ny 1.000, izay nampirimin'ireo governemanta telo nifandimby tao Pero teo aloha fotsiny.