Noho Ny Fanangonam-bola Avy Amin'ny Mpamaky, Hampiakatra Ny Raharaha Nitorian'ny Orinasa Fitrandrahana Volamena Azy Ny Tranonkalam-baovao Malaysiakini
Nanapa-kevitra ny Fitsarana Ambony ao Malezia tamin'ny 12 Janoary fa nanala baraka ny Tobim-pitrandrahana Volamena Aostraliana Raub (RAGM) tamin'ny alalan'ny andian-dahatsoratra momba ny loza ara-pahasalamana ateraky ny fiitrandrahana manakaiky toerana iainan'ny olona ny tranonkalam-baovao Malaysiakini.
Nodidiana handoa vola 90.000 dolara Amerikana noho ny fahavoazana sy ny fandaniana ara-pitsarana ity tranokalam-baovao tsy miankina ity. Nokianin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona samihafa ny didim-pitsarana, mahita izy ireo fa famelezana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ity raharaha ity.
Amin'ny ezaka hampiakatra ny didim-pitsarana eny amin'ny fitsarana ambony, nahavita nanangom-bola ho an'ny tolony ara-pitsarana ny Malaysiakini tamin'ny alalan'ny fangatahana fanomezana avy amin'ireo mpamaky azy.
Iray amin'ireo tranokalam-baovao be mpamaky indrindra ao amin'ny firenena ny Malaysiakini ary efa nahazo loka avy amin'ny International Press Institute, Reporters without Borders sy ny Komity Mpiaro ny mpanao gazety ny fitantarana ataony. Efa nisy nanafika ny tranokalam-baovao tamin'ny lasa, nahazo fandrahonana ara-pitsarana sy ara-teknika, indrindra nandritra ny fotoanan'ny saritaka ara-politika.
Nametraka fitoriana fanalam-baraka ny RAGM rehefa avy namoaka tati-baovao telo sy horonan-tsary roa tamin'ny 5 Septambra 2012 mikasika ny olana ara-pahasalaman'ny mponina ao amin'ny faritra afovoan'i Pahang, izay iasan'ny RAGM amin'ny fitrandrahana volamena ny Malaysiakini.
Tamin'ny taona 2016, nolavin'ny Fitsarana Ambony ao Malezia ny raharaha. Saingy tamin'ny 12 janoary 2018, nohamafisin’ ny Fitsarana Ambaratonga Ambony ny didim-pitsarana taorian'ny fandinihana ny fitantarana nataon'ny Malaysiakini. Nilaza ny didim-pitsarana fa tsy malina ny tranokalam-baovao noho ny tsy fahazoany ny momba ilay orinasam-pitrandrahana. Nandritra ny fotoam-pitsarana voalohany, nilaza ny Malaysiakini fa nitantara fotsiny ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ireo vondrona ao an-toerana momba ny lova manimba ateraky ny fitrandrahana ao amin'ny faritr'izy ireo izy.
Nilaza fa hampiakatra ny didim-pitsarana ny Malaysiakini. Ho azy, raha mbola mitazona ny heviny ny RAGM, niditra tamin'ny dingana famaram-pananana ny orinasa taorian'ny fatiantoka ara-bola. Tsy fantatra raha niteraka fandrisihana fanampiny ho an'ny RAGM izany mba hanohizana ny raharaha.
Nanaitra ireo vondrona marobe ny didim-pitsarana, satria mety hametraka ohatra ho an'ireo orinasa lehibe mba haneriterena ny haino aman-jery tsy miankina izay mikasa ny hitantara ny asan'izy ireo.
Iray amin'ireo nitsikera ny didim-pitsarana ny Komitin'ny Asa Fandraràna ny Sianira:
We express our worries that the high sum of the claim by RAGM could drive media away from critically investigating and reporting issues of public interest that involved big corporations. This will further shrink the media freedom in the country.
Maneho ny ahiahinay izahay fa ny habetsaky ny vola nangatahan'ny RAGM dia mety hitarika ny haino aman-jery tsy hamotopototra sy hitatitra ny olana momba ny tombontsoam-bahoaka izay mahakasika ireo orinasa lehibe. Vao mainka hampihena ny fahalalahan'ny media ao amin'ny firenena izany.
Nanizingizina ny Reporters Without Borders (RSF) fa tsy tokony holazaina ho asan-jiolahy ny asa fanaovan-gazety:
It is completely unacceptable and disproportionate that journalists should be the target of judicial proceedings just for attending a press conference serving the public interest.
Tsy azo ekena velively sy tsy mifandanja izany hoe mpanao gazety lasibatry ny dingana ara-pitsarana noho ny fanatrehana fotsiny ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mikasika ny tombontsoam-bahoaka.
Mihevitra ny sasany fa misy ambadika politika ny didim-pitsarana. Sarawak Report nilaza fa natao hanorisorenana ny Malaysiakini sy ny fampahalalam-baovao tsy miankina hafa izany:
It threatens to destroy Malaysia’s most established, successful, best known and extensive independent online media operation just weeks before the prime minister launches his re-election bid in the midst of massive corruption scandals, involving billions of dollars of thefts of public money – by him personally.
Mandrahona hanimba ny asan'ny fampalalam-baovao antserasera tsy miankina malaza indrindra, mahomby sy mieli-patrana ao Malezia izany herinandro vitsy monja talohan'ny nampahafantaran'ny praiminisitra ny fikasany hirotsaka hofidiana indray tao anatin'ny tantara ratsy niresaka kolikoly goavana, izay mitentina miliara dolara amin'ny halatra volam-bahoaka nataony manokana.
Teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 1950 ny antokon'ny fitondrana ao Malezia. Voampanga ho nanangona vola an-jatony tapitrisa dolara tamin'ny fifanaraham-barotra tsy ara-dalàna tamin'ny orinasam-panjakana momba ny famatsiam-bola ny Praiminisitra Najib Razak. Efa nitory an'ny Malaysiakini indray mandeha i Najib noho ny famelana fanehoan-kevitra manala-baraka iray ao amin'ny tranonkalany.
Manoratra ao amin'ny Asia Sentinel, nanamarika i Mariam Mokhtar fa ny didim-pitsarana dia azo sokajiana ho sazy sy “fampitandremana ho an'ireo gazety hafa mba hitandrina tsara” rehefa mitatitra momba ireo olana mety hisy fiantraikany amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana .
Mihevitra kosa ny sasany fa manana fifandraisana ara-politika mahery vaika ny RAGM izay nahafahany nampiakatra ny raharaha, na dia teo aza ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Ambony tamin'ny taona 2016.
Taorian'ny fanambarana ny didim-pitsarana tamin'ny 12 Janoary, nangataka fanomezana avy amin'ny vahoaka avy hatrany ny Malaysiani mba ho ampiasaina amin'ny fandaniana amin'ny fiarovana azy. Mpanohana teo amin'ny 2175 teo no nandray anjara tamin'ny fanangonam-bola ho fiarovana azy tao anatin'ny 12 andro monja.
Nisaotra ireo rehetra nanohana ny orinasa ny talen'ny Malaysiakini, Premesh Chandran:
It was amazing that the sum was raised in just 12 days. It showed that the public supported our efforts to report community issues.
On behalf of Malaysiakini's staff, I would like to thank all contributors and everyone who supported us in spirit.
Mahavariana fa voaangona tao anatin'ny 12 andro monja ny vola. Nampiseho izany fa nanohana ny ezaka natao amin'ny fitantarana momba ny olan'ny fiarahamonina ny vahoaka.
Amin'ny anaran'ny mpiasan'ny Maleiakini, misaotra ireo mpandray anjara sy ireo rehetra nanohana anay tamin'ny fanahy izahay.
Nampanantena i Premesh Chandran sy ny tonian-dahatsoratry ny Malaysiani, Steven Gan fa tsy handiso fanantenana an'ireo mpanohana azy:
There were no tycoons, no corporate sponsorship. Only people like you – wage earners, the self-employed, retirees – giving their hard-earned money to the fund. It is this spirit which we promote among those who work in Malaysiakini. And it is this spirit that we want to see among our supporters and among all Malaysians.
Tsy nisy ny tremalahy (mpanankarembe), tsy nisy ny fanohanana avy amin'ny orinasa hafa. Ny olona toa anao ihany – mpandray karama, mpiasa tena, mpisotro ronono- no nanome vola niaretana mafy vao azo, ho an'ny famatsiam-bola. Izany fanahy izany no hampiroboroboinay eo amin'ireo mpiasa ao amin'ny Malaysiakini. Ary izany fanahy izany no tianay hita eo anivon'ireo mpanohana anay sy eo amin'ireo Maleziana rehetra.
Nilaza ny Malaysiakini fa hampakatra ny raharaha eo anoloan'ny Fitsarana Federaly.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...