Mpampianatra Ao Amin'Ny Oniversite Gambiana Voasambotra Noho Ny Antsafa Tamin'ny Gazety, Navoaka Rehefa Avy Eo

Olona nanofahofa tànana tao amin'ny fihetsiketsehana manohitra ny filoha Yahya Jammeh tao Gambia tamin'ny 2017. Pikantsary tamin'ny horonantsary Youtube.

Tamin'ny Janoary faha-31, nosamborin'ny manampahefana ao Gambia, firenena ao Afrika Andrefana, ilay mpahay siansa pôlitika Ismaila Ceesay ary nampangain'izy ho “mandrisika hanao herisetra”, tamin'ny antsafa nataony tamin'ny gazety iray ao an-toerana. Navoaka tsy nisy fepetra izy tamin'ny 1 Febroary.

Nisy ifandrasany tamin'ilay antsafa an-gazety ny fisamborana an'i Ceesay, izay nitenenany fa tsy hahasakana ny loza mananontanona maharitra ny fandriampahalemana ny fisian'ireo tafiky ny zanaparitra ECOMIG.

Ampahan'ny ezaka mba hampanaja ny valin'ny fifidianana Filoha tamin'ny Desambra 2016 ny Iraka misahana ny Ara-Toekarena avy amin'ny Vondron'ire Firenana Afrikàna Tandrefana ao Gambia (ECOMIG), izay nanaisotra ny fahefana tsy ho amin'i  Yahya Jammeh, filoha naharitra efa hatry ny ela.

Na nisy aza ny valin'ny fifidianana, tsy nanaiky ny hiàla ny birao nandritra ny andro maromaro taorinan'ny tetezamita natao hamindràna fahefana i Jammeh. Araka izany, voatery nijanona tany ivelan'ny firenena, ao amin'ny manodidina an'i Senegaly ny filoha ankehitriny Adama Barrow, mandra-pilefitr'i Jammeh sy nialàny tamin'ny andraikiny ka nandaozany ny birao.

Tao anatin'ilay antsafa anton-dresaka, nolazain'i Ceesay  tamin'ny gazety The Voice fa tsy ho tafaverina ny fandriampahalemana maharitra “raha tsy mahazo ny fahatokisan'ny tafika  [Gambiana] ny filoha [Adama Barrow].”

Heveriko fa tapitra tamin'ny 20Jan2017 ny fampiasana tenifototra mba hitakiana ny famotsorana ireo olompirenena izay voahitsakitsaka ny zo fototrany ao #Gambia.
Hatramin'ny 31Jan2018, notazonina i Ceesay noho ny heviny & indreto isika #AvohayDrCeesay  #FreeDrCeesay
Nifidy ho an'ny fiovana RAFITRA isika FA TSY filoha fotsiny

Nohobiana noho ny famerenana ny fanajana ny zo fototra maha-olombelona ny fitantanan'i Barrow, fialàna mivantana amin'ny fitondrana jadona mahery vaikan'ny filoha teo aloha Yahya Jammeh.

Fotoana fohy taorian'ny niandraiktenany ny birao, nanafaka gadra sy voafonja an-jatony i Barrow. Nanomboka teo, natomboky ny andianà fanadihadiana sy fanenjehana ireo lazaina ho fanimbazimbàna zon'olombelona natan'ny fitondràn'i Jammeh.

Fa mbola sakana be ho an'ny fankafizana feno an'ireo fahalalahana sivily ilay fandriampahalemana marefo taorian'ny kizo ara-pôlitika.

Navotsotra i Dr ary nesorina daholo ny vesatra no sady nahazo fialantsiny avy amin'ny polisy. #AvohayDrCeesay #FreeDrCeesay #Fahalalampitenenana #FreedomOfExpression #GambiaVaovao #NewGambia

Nanameloka ilay fisamborana ary nampintandrina amin'ny fiverenana ho amin'ny lasa maizina ny sekretary jeneralin'ny Sendikàn'ny Gazety ao Gambia, Saikou Jammeh (izay tsy manana fifandraisana amin'ny filoha teo aloha Yahya Jammeh)

#Gambia.Mila mitsangana daholo isika ary miteny ho an'i Dr Ceesay. Maneho fiverenan-dàlana amin'ny tombony demokratikantsika ny fisamborana sy ny fitazonana azy. Loza mitatao ho an'ny zo sy fahafahana io, izay fantatsika, tiantsika ary ankafizintsika rehefa avy nofoanana sy nampahoriana nandritra ny 22 taona mihoatra #AvohayDrCeesay #FreeDrCeesay

Mpaneho tsy tapaka ny heviny ara-politika ho an'ny fampahalalambaovao ao an-toerana i Ceesay, Mpampianatra siansa politika  amin'ny oniversiten'i Gambia – University of The Gambia (UTG) .

Nanameloka ny fisamborana sy ny fitazonana an'i Ceesay ireo mpikatroka mpiaro zo ary niantso ho an'ny famotsorana azy avy hatrany sy tsy misy fepetra.

Tao anatin'ny fanambaràna iray  navoaka teo amin'ny Facebook, nilazan'ny vondron'ny mpiasan'ny oniversite ny fisamborana sy fitazonana an'i Ceesay ho toy ny “fandikandalàna miharihary sy loza mitatao ho an'ny fahafahana akademika ary ny fahalalahana maneho hevitra”, ary nitakiany ny famotsorana azy avy hatrany sy tsy misy fepetra.

Fanambaràna avy amin'ny UTGFSA
Manaraka ny fisamborana tsy ara-drariny an'i Dr. Ismaila Ceesay, mpampianatra siansa Pôlitika UTG sady Filohan'ny Oniversiten'ny Fakiolté ao Gambia sy ny Fikambanan'ny Mpiasa (UTGFSA), noho ny lahatsoratra iray navoaka tamin'ny gazety tao an-toerana, nomelohan'ny vondrom-piarahamonina UTG manontolo ao ambanin'ny UTGFSA mafy tokoa ilay atao hoe fisamborana ho tahaka ny fandikandalàna miharihary amin'ny zony amin'ny maha-olompirenena sy loza mitatao ho an'ny fahalalahana maneh hevitra ao amin'ny firenena.

Firenena izay ahafahan'ny vahoaka milaza tsy misy tahotra ny ho tratry ny sotasota, na avy amin'iza, na avy amin'iza,  izay heviny momba ireo olan'ny firenena, toy ny fampandrosoana, fanabeazana, fandriampahalemana ary demaokrasia, no fiovàna nandrandrain'ireo Gambiana ho an'ny Desambra 2016. Tsy nanao sorona ny ainy ho an'ny fiovana tarehy tamin'ny Fifidianana Filohampirenena tamin'ny Desambra 2016 ny vahoaka Gambiana fa ho an'ny fiovana izay hanome antoka ho an'ny rehetra sy ny hafa fa hoe hisitraka am-pahamendrehana ny zony sy ny fahalalahana ao amin'ny fireneny izy ireo. Noho izany, fanitsakitsahana ny zony hiteny malalaka voafaritry ny lalàmpanorenana ary andrana amin'ny fihantsiana eo amin'ny fanapahankevitry ny UTGFASA mba hiarovana ny zon'ny mpikambany amin'ny fomba rehetra ny fisamborana ny mpiaramiasa aminay, Dr Ismail Ceesay. Amin'ny maha-manampahaizana sy olompirenen'i Gambia, tsy hipetrapetraka fotsiny sy hijery ny mpitandro filaminana na asa iza koa hanitsaka ny zonay miaraka amin'ny tsimatimanota izahay. Noho izany, takianay ny famotsorana an'i Dr. Ceesay avy hatrany sy tsy misy fepetra.

Raha tsy vitan'ny manampahefana ny mamotsotra an'i Dr. Ceesay tsy misy fepetra, ho antsoin'ny UTGFSA ny mpikambana ao aminy mba hipetraka an-trano sy hijanona tsy handray anjara amin'ny asa rehetra ao amin'ny oniversite, ka anisan'izany ireo lanonana momba ny fitarihan-dàlana manomboka ny Alakamisy 1 Febroary 2018. Na izany aza, hanohy hatrany hampiasa izay fitaovana rehetra hiantohana ny famotsorana an'i Dr Ceesay ny mpanatanteraka ao amin'ny UTGFSA. Amin'ny alàlan'ny sehatra UTG, hampahafantarin'ny mpanatanteraka ho an'ireo mpikambana ao ny momba ny hetsikay manaraka.

A Senghore
(Asst. Sekretera Jeneraly UTGFSA)

Voampanga fotoana fohy teo ambanin'ny fizaràna faha-59B amin'ny Lalànan'ny Heloka Bevava ao Gambia i Ceesay. Raha voaheloka teo izy, nety niatrika fitazonana am-ponja teo amin'ny telo taona. Saingy taorian'ny tsindry mafy avy amin'ny mpiasa sy mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Gambia, navotsotra tsy nisy fepetra izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.