Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Janoary, 2018
Serbia: Fahafatesana Mpanohana Baolina Kitra Frantsay Iray
Nodarohan'ny mpanohana ny ekipan'i Partizan i Brice Taton, Frantsay iray 28 taona, mpanohana ny ekipan'i Toulouse Nitranga tao afovoan-tanànan'i Belgrade izany fotoana fohy talohan'ny nanombohan'ny lalao teo amin'ny ekipa roa tonta. Maty tao amin'ny hopitalin'i Belgrade izy tamin'ny 29 septambra. Nahatonga fanehoan-kevitra tamin'ireo mpibilaogy maro ity vaovao mahatsiravina ity.
Manery ny Antokon'ny Fitondrana ao Ethiopia Ny Fitomboan-Dazan'ny Mpanohitra
Taonan'ny Fikambanana Demokratim-bahoakan'i Oromo (OPDO) ny taona 2007. Afaka nanozongozona ny marika saribakoly ny OPDO ary hita ankehitriny fa maneho hevitra eo amin'ny politikan'i #Ethiopia.
Goadelopy : Kwanzaa, Zava-baovao Amin'ny Fetin'ny Faran'ny Taona
Ankoatra ny fankalazana ny Krismasy nentim-paharazana, namorona zava-baovao, Kwanzaa, vao haingana i Goadelopy, izay manomboka ny 26 Desambra ary mifarana ny 1 Janoary.
Etazonia: Moskea An'i New York Miisa 30 Notsidihana Tao Anatin'ny 30 Andro
Eo am-pamaranana ny dian'izy ireo tamin'ny fitantarana ny fitsidihana ireo "moskea miisa 30 tao anatin'ny 30 andro" ao amin'ny bilaogin'izy ireo mitondra anarana toy izany ihany ny zatovolahy roa tao an-tanàndehiben'i New York , Aman Ali sy Bassam Tariq.
Ejipta: Manova Zavatra ireo Bitsika #Top50Eg
Nampiasain'ireo Ejiptiana mpibitsika tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #Top50Eg. Tarek Amr no mitondra antsika hitety ny tontolon'ny Twitter Ejiptiana mba hilazàna ny momba izany amintsika.
Taona Iray Hafa Ho An'ny Feminista Manohitra Fahefana ao Amerika Latina
Sady mitohy mahazo bahana ihany ireo hetsiky ny vehivavy ao amin'ny faritra, andrandraina ny 2018 ho taona hahitàna ny fitomboan'ny tetikasa maro izay manosika ho amin'ny fiovana ifotony any anatin'ny fiarahamonina ary hiaro ny tontolo iray azo antoka sy rariny kokoa ho an'ny vehivavy rehetra.