Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2016

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Janoary, 2016

27 Janoary 2016

Nasehon'ny Karatra Paositaly Fahiny Ny Tsiaron'ny Ady Lehibe Voalohany Tao Makedonia

Natao tanelanelan'ny taona 1914 ka hatramin'ny 1918, tsy ny fampisehoana ny endrika ara-miaramila ny ady ihany no hita amin'ny sary, fa asehony ihany koa ny toerana sy ny olona tafiditra ao anatin'ny ranomodiny.

26 Janoary 2016

Noho ny Tranombokim-Bahoakan'i New York, Ambany Maso Ankehitriny Ny Sarin'i India Fahiny

Namoaka votoaty mihoatra ny 180.000 efa any amin'ny vala azon'ny rehetra ampiasaina ny Tranombokim-bahoakan'i New York. Afa-miditra sy mitroka ireny tahirin-kevitra ireny maimaimpoana ankehitriny ny mpamaky.

18 Janoary 2016

Costa Rica : Lovan'ny Teny Anglisy, Tantaran'ny Teny, Tantaran'ny Fifindra-monina

Amin'ity fijoroana vavolombelona manokana manana fizarana roa ity, ity ny tantaran'ireo taranaka Kostarikana teratany Afrikana sy ny lovan'izy ireo, ny teny, ny Anglisy, izay zavatra hireharehan'izy ireo sy mariky ny maha-izy azy ireo.

15 Janoary 2016

Zazakely Teratany Fanahy Iniana Novonoina, Saingy Zara Raha Nahafantatra Ny Fisian'izany i Brezila

Andro mialoha ny faran'ny taona, nampinono ny zanany lahy 2 taona ny vehivavy indizeny iray raha indro nisy lehilahy nanatona azy ireo ary namono ilay zazakely. Tsy nahasarika ny saina tao Brezila anefa izany tranga izany.

10 Janoary 2016

Fijoroana Vavolombelona Nataon'ny Gineana Iray Mpitoraka Bilaogy Mikasika Ireo Fanararaotan'ny Polisy Eny Sisintany Ataony Amin'ny Anaran'ireo Fepetra Manohitra Ny Fampihorohoroana

Gineana iray mpianatra sady mpitoraka bilaogy, Dieretou Diallo, monina any Nice, Frantsa, no niaina zava-mahamenatra nandritra ny fialàny tao Parisy ho any Dakar mba handray anjara amin'ny fandefasana any Dakar, ny 28 Novambra 2015 teo, ny Afrikctivistes, ligy Panafrikan''ireo mpikatroka ho an'ny Demokrasia. Mitantara ny fahasorenany tao amin'ny bilaoginy “De...

08 Janoary 2016

Amsterdam: Sahand Sahebdivani Sy Ny Fiventesany Tantara Mahatalanjona (Ampahany 1)

Ao anatin'ity tafa misy andiany roa niarahany tamin'ny Global Voices, resahan'i Sahand Sahebdivani ny momba ireo fifankahitàna ara-kolontsaina, ireo vehivavy maherifo any anatin'ny angano Persiana, ny tanjaky ny fiventesana tantara ary ny hevitry ny fifangaroana, fifanakalozana kolontsaina.

05 Janoary 2016

Ahoana No Hiarovan'i Venezoelà Tsara Ny Zon'ireo Vazimba Teratany? Anontanio Fotsiny Ny Vondrom-piarahamonina Warao.

Na dia manana fikambanana mifofotra manokana ny androny ho amin'ny fahasambaran-dry zareo aza ireo vondrom-piarahamonina indizena ao Venezoelà, dia miatrika fitanilàna marobe isankarazany ry zareo

04 Janoary 2016

Te-hamelona indray ny fombafomban'ny vazimba teratany ao Meksika ny Voces Étnicas

Te-hametraka ny tenany ho fitaovana fampitana ny fombafomba sy ny nentin-drazana teratany ao Meksika ny Voces Étnicas, mba hahafahana maka sy mamelona indray ny ribany.