Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Desambra, 2008
Frantsa: Vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve?
Amin'izao vanim-potoanan'i Obama izao, vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve i Frantsa? ka i Eugene Ebode, vahinin'ny bolongana ao amin'i Alain Mabanckou, no miresadresaka momba ny karazana politika any Frantsa.
Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa
Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany....
Isiraely: Sary fanao amin'ny rindrina Arzantiana any amin'ny Kibbutz
Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela...
Ezypta: Moa ve Palestiniana i Obama?
Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny...
Brunei:Soritroritr’ ‘Ali Baba’
Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano...
Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook
Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho. "Antsilava, tadivy, Srebrenica!" (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra. Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona Facebook iray manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria "manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica" io vondrona io. Indro i Sinisa Boljanovic mandika teny (anglisy) ho antsika ny resaky ny mpamaham-bolongana Serba.
Renata+Ainara=Fitiavana
Miresaka momba ny fiovan'ny fokonolona mandrafitra ny mponina ao Moskoa renivohitra ny mpamaham-bolongana Rosiana.
Nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika
Andro vitsivitsy lasa izay dia nitagy ny mpamaham-bolongana namany i Théophile Kouamouo [Fr], mpamaham-bolongana mipetraka any Abidjan (Côte d'Ivoire), hilazalaza ny eritreriny tsirairay avy amin'ny antony hamahanam-bolongana momba an'i Afrika: Bloguons...