· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Oktobra, 2011

Etazonia: Fanambin'ny Fahasamihafan'ny Hetsika “Fibodoana”

Iray volana taorian'ny fibodoana ny faritra ara-bolan'ny tanànan'i New York, Wall Street, mihamivelatra ny hetsika ary maka toerana malalaka [an'ny fanjakana na kaominina] vaovao ny olona. Mpikatroka sy fikambanana izay niaritra - nandritra ny fotoana maharitra - ny elanelana mampisaraka ara-politika, toekarena ary sosialy no milaza ny fahatafintohinany

26 Oktobra 2011

Etazonia: Mankatoa Lalàna Henjana Momba ny Fifindrà-monina Ny Fanjakana Ao Alabama

Ny 29 Septambra 2011, nankatoavin'ny fanjakan'i Alabama ny lalàna HB56, ny henjana indrindra amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina any Etazonia, nanaraka ny dian'ilay S.B.1070 an'i Arizona izay efa niteraka resabe tokoa, manao ny satan'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ho toy ny mpanao heloka bevava. Vakio ny fanehoan-kevitry ny tontolon'ny bilaogy.

10 Oktobra 2011

Bolgaria: Fifandonana Eo Amin'ny Roma Sy Ny Teratany

Fifandonana mahery vaika teo amin'ny tanànan'i Bulgaria tao Katunitsa, akaikin'i Plovdiv, no niseho ny Zoma alina teo, taorian'ny fahafatesan'ny teratany Bolgara iray 19 taona, Angel Petrov, izay voahosin'ny fiara nentinà lehilahy manam-pifandraisana amin'ny mpitarika ny vondrona Roma ao an-toerana. Nanadihady i Rosiana Trad mikasika ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Bolgaria.

08 Oktobra 2011